Politique

Magro Antsirabe Mitohy ny hetsika


  • Alatsinainy 07 Novambra 2011

Mitohy hatrany ny hetsika ataon’ireo mpitolona mitaky ny ara-dalàna ao amin’ny Magro Avaratsena Antsirabe na dia eo aza ny fampihorohoroana ho fampiatoana ny hetsika fanehoan-kevitra an-kalamanjana toy izao.

 Vory lanona tanteraka moa ireo vahoaka nanatrika ny hetsika ny sabotsy 05 novambra lasa teo. Ireo nandray fitenenana dia nanipika fa tsy hiato mihitsy ny hetsika raha tsy tanteraka ny fampiharana ara-bakiteny ny tondrozotra. Raha sakanana tsy haneho hevitra an-kalamanjana ny vahoaka dia sokafy ireo haino aman-jery toy ny «Radio Mada» sy ny «Fahazavana» ary ny «MBS» hitenenan’ny vahoaka sy hanehoany ny heviny marina sy ahafantarany ny fandehan’ny raharaham-pirenena marina. Nanamafy ny fitakiana ny fampiharana ara-bakiteny ny tondrozotra ihany koa ireto mpitarika ireto, indrindra fa ny andininy faha-20 izay milaza ny fampodiana tsy misy fepetra ny filoha Ravalomanana raha toa ka tena hampihatra izany tokoa ingahy Beriziky. Nanamafy izany moa ny filoha Ravalomanana raha nitafa tamin’ireo mpomba azy tao Antsirabe ary naveriny fa tsy miditra ao anatin’io Governemanta io ny olony raha tsy tanteraka ny fepetra nosoniavina dia ny fodian’ireo sesitany politika rehetra any ivelany. Nohazavainy fa ny fisian’io andininy io tao anatin’ny tondrozotra no nanekeny ny hanasoniavana izany kanefa dia miseho sahady fa tsy mitana ny teny nataony ny FAT. Notsahiviny fa na io Praiminisitra io aza dia tsy nifanarahana fa tendrin-dRajoelina manokana. Nankahery ireo mpitolona ny tenany ka nilaza fa betsaka ny ezaka ataony any ivelany ka tsy tokony ho taitra ny mpomba azy fa mila mijoro hatrany mandra-pahavita ny tolona.

Caïus R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT