Politique

Magro Antsirabe Mitohy hatrany ny tolona !


  • Zoma 07 Oktobra 2011

Hiavaka tanteraka indray ny hetsika ao amin’ny Magro Avaratsena rahampitso sabotsy 08 oktobra 2011 satria dia ireo fikambanam-behivavy mpandala ny ara-dalàna indray no manomana ny hetsika.

 Raha ny fanazavana nomen-dRtoa Ramaherison Hantarivony anisan’ireo mpanomana dia hanomboka amin’ny 10 ora ny fanentanana samihafa izay handraisan’ny mpanakanto Thiera Bruno anjara amin’ny alalan’ny hirahira. Hanomboka amin’ny 01 ora sy sasany kosa ny fotoam-bavaka manokana hangataham-pitahiana ho an’ny tanindrazana sy ny fidiran’ny mpianatra ary aorian’izay ny fandraisam-pitenenana ataon’ireo mpitarika sy mpanao politika mivondrona ao amin’ny ankolafy Ravalomanana sy ireo vahiny nasaina avy aty Antananarivo izay fantatra fa hafonja tanteraka, hitondra fanazavana ny amin’ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena.

Fantatra ihany koa fa hitafa mivantana amin’ireto vehivavy ireto ny vadin’ny Filoha Ravalomanana amin’io fotoana io ankoatra ny fidiran’ny filoha hanazava ny raharaham-pirenena sy ny fivoarany amin’izao fotoana izao. Hafana indray, araka izany, ny hetsika ao amin’ny Magro Avaratsena izay efa nambaran’ny mpitarika moa fa tsy hiato mihitsy mandrapahatonga ny filoha Ravalomanana eto Madagasikara. Sabotsy indray izany mifankahita.

Caius R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT