Politique

Magro Antsirabe Mankato ny hevitry ny mpitarika hatrany


  • Alarobia 02 Novambra 2011

Vory maro tao amin’ny Magro Avaratsena ny sabotsy 29 oktobra lasa teo ny mpomba ny ara-dalàna.

 Nisongadina nandritra ity hetsika ity ny nahakasika ny fanendrena ny Praiminisitry ny marimaritra iraisana ka nilazan’Atoa Mamy Rakotoarivelo tamin’ny antso an-tariby fa tsy mifanaraka amin’ny tondrozotra ny fanendrena an’Atoa Omer Beriziky io ka tsy ankatoavin’ny ankolafy Ravalomanana aloha hatreto. Na dia nolazaina aza fa ny filoha Zafy Albert no nanolotra azy dia olon’ny Leader Fanilo io ary tsy mpikambana tsotra fa Sekretera Jeneraly mpanampy faha-3. Mazava fa olon’ny ankolafy mpanohana an’i Andry Rajoelina ihany io satria ny Leader Fanilo dia antoko anisan’ny mandrafitra ny UDR-C izay vondron’ny mpanohana an-dRajoelina ihany. Ankoatra izay dia efa niaraha-nahita ihany koa, hoy ity Sekretera jeneralin’ny TIM Ravalomanana ity fa anisan’ireo niara-dia tamin’ny ankolafy Rajoelina nandritra ilay dia tany Belzika nihaonana tamin’ny Vondrona Eoropeanina ingahy Omer Beriziky.

Tsy nisy fakan-kevitra tamin’ireo vondrona politika nanao sonia ny tondrozotra ny fanendrena azy, izay midika fa tsy misy fankatoavana tamin’ireo ankolafy hafa ka tsy mitombina ny maha marimaritra iraisana azy. Na izany aza dia aoka tsy ho taitra isika fa tsy mivaky ny Ankolafy telo fa mbola miaraka tsara aloha hatreto ary matoky ny filoha Ravalomanana isika fa hisy ny vahaolana mifandraika amin’izany hamahana ny krizy ka mila ny firaisankinan’ny rehetra satria tsy vita ary mbola mitohy ny tolona ary tsy mijanona raha tsy tonga ny filoha Marc Ravalomanana. Horakora-pifaliana moa no nandraisan’ireo mpitolona tao amin’ny Magro ity hafatr’Atoa Mamy Rakotoarivelo ity tamin’io fotoana io ka nilazan’ny rehetra fa matoky ireo mpitarika any Antananarivo ny rehetra.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT