Politique

MAGRO Antsirabe Hihetsika ny mpampianatra


  • Zoma 21 Oktobra 2011

Hiaraka hientana indray ny mpampianatra sy ny mpanolotsaina ao amin’ny kianjan’ny Magro Antsirabe rahampitso sabotsy.

 Fantatra mantsy fa dia anjaran’izy ireo indray no hitarika ny hetsika amin’io fotoana io. Raha ny fanazavana nomen’ny mpitarika ny mpampianatra Rtoa Sahondranirina Aimée dia vonona tanteraka indray izy ireo amin’izao fotoana izao ary tsy matahotra ny hiseho intsony. Tsy hihemotra raha tsy tafita ny tolona ka tonga eto Madagasikara ny filoha Ravalomanana. Manentana ny ray aman-drenin’ny mpianatra ihany koa ny tenany ho tonga maro amin’io hetsika io. Tsy mahavaha olana mantsy ny FAT ka lasa hatrany an-tokantrano ny fahasahiranana izay niantraika tamin’ny fidiran’ny mpianatra izay nampihena ireo zaza niditra an-tsekoly. Marihina fa niverina ary nivondrona indray moa ireto mpampianatra Legalista ireto amin’izao. Tsy ny mpampianatra avy amin’ireo sekolim-panjakana ihany akory ireto mivondrona ireto fa misy ihany koa ny avy amin’ireo sekolim-pinoana samihafa sy ireo tsy miankina. Mahatratra 600 any ho any ao Antsirabe sy Antsirabe II ny mpikambana.
Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT