Politique

Magro Antsirabe Hetsika miavaka rahampitso sabotsy


  • Zoma 11 Novambra 2011

Hangotraka indray ny hetsika ataon’ny legalista ao Vakinankaratra rahampitso sabotsy 12 novambra 2011, ka ao amin’ny Magro Avaratsena ihany no hifamotoana ny rehetra amin’io fotoana io.

 Ankoatra ireo Distrika fito mandrafitra ny Faritra izay hahatonga solontena avokoa dia ho avy ihany koa ireo solontena avy any amin’iny Faritra Menabe iny ka hisy ny avy any Miandrivazo, Malaimbandy, Antsalova, ary hatrany Maintirano. Raha ny tafa nifanaovana tamin’ireo mpitarika izay nahitana an’i Dadamanana sy ny Depiote Enest Rakotomiandrisoa dia ho fanehoan-kery amin’ireo milaza ho mpitondra mihitsy no hatao mba hahafantarany fa aty amin’ny ankolafy Ravalomanana ny vahoaka ary tsy tokony hotsinontsinoavina ny hevitra sy ny fomba hitondrana ny tetezamita tena izy fa tsy hoe mila vaniny izy ireo. Hisy, araka izany, ny fampitam-baovao hataon’ireo mpitarika avy ao an-toerana sy avy aty Antananarivo mahakasika ny fandrafetana ny governemanta iraisana, ankoatra izay toromarika avy amin’ny filoha Ravalomanana. Araka izany dia hafana tanteraka ny hetsika rahampitso sabotsy handraisan’ireo mpitolona rehetra manerana an’i Vakinankaratra. Sabotsy mifankahita izany e !

Caius Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT