Miantso vonjy sy mamono afo ny fanjakana HVM eo anatrehan’ny fahamafisan’ny herim-panoherana. Sesilany ny fanirahana mpikarama an’ady politika niteny tamin’ny haino aman-jery eo anoloan’ny famoriam-bahoaka hataon’ny solombavambahoaka eny anoloan’ny Lapan’ny tanàna Analakely anio.
Nasaina niteny ry Bona Jean Pierre Razafimandimby filohan’ny AV7, nanakiana mafy ny fiarahan’ny TIM sy ny MAPAR, ary indrindra ny fandotoana io hetsika anio. Nanamavo ny namany fahiny rehefa nahazo tombotsoa tany amin’ny HVM. Nanao fanambarana ihany koa ny fikambanan’ny mpianatra teny Ankatso afak’omaly, izay toa natao hanentanana ny mpianatra tsy hiara-hientana amin’ny solombavambahoaka, araka ny voalazan’izy ireo. Nisy fanambarana niantso ny mpianatry anjerimanontolo ho avy eny Analakely ve? Ezahina hampitenenina avokoa izay azo hampitenenina, ka zary tototry ny kihana sy ny tondro molotry ny namany ireto mpianatra nasaina nanao fanambarana politika, tsy dia misy hidirany amin’ny fianarana. Nampanantsoina teny Antanimena ihany koa ny avy amin’ny fokontany 192 omaly, ka dia nivoaka ny resaka hoe miantso ny vahoaka tsy hanaiky hotarihina amin’ny resaka asa fanakorontanana. Omaly maraina ihany koa dia nisy ny taratasy hafahafa niparitaka tamina toerana sasantsasany teto Antananarivo, ka isan’ny nahitana izany iny faritra Mahazo sy Ankadindramamy iny hoe: “HCC Mijoroa fa mpanongam-panjakana ireo” ary nisy karazana sonia hoe “olo tsy tia ady”. Rehefa dinihina io, dia manohana ny fanjakana amin’ny fampandaniana ilay lalàm-pifidianana, ary mandrisika ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana hanaiky ilay lalàna.Mazava ny resaka :tena toran-kovitra Rafanjakana !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.