Politique

Mafana ny raharaham-pirenena Misitri-belona ny vovonana politika


  • Talata 10 Aprily 2018

Aiza daholo ry Rodoben’ny Malagasy tia tanindrazana ho amin’ny fanorenana ifotony (RMTF), ny tolona fanorenana ifotony (TFI) sy ireo mpanao politika nitabataba rehetra nitaky ny fametraham-pialan’ny mpitondra tamin’ny fotoan’androny ?

 
 Hatramin-dry Tolojanahary Maharavo sy ny DFP notarihiny aza ity nisitri-belona kanefa dia nahavita nilaza tao amin’ny Panorama mihitsy tamin’ny jona 2016 fa “hanongam-panjakana” raha tsy mbola tena nafana be toy izao akory ny toe-draharaham-pirenena. Ankehitriny, miharihary ny kolikoly sy ny tsy fampandehanana amin’izay laoniny ny raharaham-pirenena kanefa vao mainka tsy hita izy ireo. Etsy an-kilany anefa dia mahagaga fa masiaka fiteny ireo mpitarika antoko politika. Nilaza ny filohan’ny PNJ Mazava,  Silvain Rabetsaroana fa raha toy izao no niafaran’ny tamin’ny taona 2013 ka mbola tohizana amboletra ihany dia asa izay hiafarantsika. Tokony hahazo hirotsaka daholo, hoy izy, fa 25 tapitrisa ariary ve no hanaovana takalon’aina ny vahoaka 25 tapitrisa. Tetsy an-kilany, ny sekretera jeneralin’ny antoko Vahoaka miray (VAMI), Gaby Vakiniadiana, dia nanambara fa mila mieritreritra ny vahoaka Malagasy. Izaho tsy hiteny hoe lozan’izay firenena entin’adala na be makorelina, hoy hatrany izy, fa kosa hoe fandalovana ny tany.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT