Mafampana ny toe-draharaha

Mitaky ny hamoahana ireo gadra politika ny herivelona maro


  • Alarobia 17 Jolay 2024

Manoloana ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena dia nanao fanambarana miaraka tetsy

amin’ny Le Pavé Antaninarenina omaly ny fiaraha-mientan’ireo fikambanana maro toy ny ACS, izay ivondronan’ireo CST sy loholona teo aloha, ny B.A.A.A.A.M na Betsileo-Antesaka-Antemoro-Antefasy-Antandroy-Makoa, ny FMKT ivondronan’ny C.T teo aloha, hery politika mitambatra-HPM, Triangle du nord, ny raiamandreny eto amin’ny firenena malagasy, ny Komity ivondronan’ny mpiasa malagasy na K.I.M.M. Masina ny safidin’ireo vahoakan’i Vangahindrano nandany 100% an’andriamatoa Mahavitara Sylvestre ho solombavambahoaka izay nohamafisin’ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsaràna avo momba ny lalàmpanorenana na HCC tamin’ny fomba ofisialy, hoy izy ireo. Satria tany sy fitondrana repoblikanina no misy eto Madagasikara, ny lalàmpanorenana dia manome alalana feno ny fanehoan-kevitra am-pilaminana na «liberté d’expression» izay nataon’ireo mponina tao Vangahindrano kanefa dia nodarofan’ny miaramila baomba mandatsa-dranomaso ary nosamborina ny mpitarika azy ireo, andriamatoa Rasambozafy Cyril, izay mpikambana ato amin’ny A.C.S no sady filoha nasionalin’ny fikambanana B.A.A.A.A.M. Takiana, noho izany, ny famoahana tsy misy hatak’andro an’Andriamatoa Mahavitara Sylvestre, solombavambahoaka voafidy tao Vangahindrano sy ny fampiharana ny didim-pitsaràna navoakan’ny HCC. Tsy ekena ny mizana tsindrian’ila. Nankaiza ny tohin’ny raharaha «Ecran plat», «Bonbons sucettes», «Bolongam-bolamena nanjavona tao amin’ny minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany»? Takiana ny fanafahana madiodio an’andriamatoa Rasambozafy Cyrille sy ireo namany voasambotra. Manjaka eto amin’ny firenena ny gaboraraka sy ny tsy fahamarinana ary ny tsy fandriampahalemana izay mety hiteraka korontana sy fifandrafiana eo amin’ny samy malagasy noho ny tsy fandraisan’ny fanjakana andraikitra. Tonga ny fotoana tokony hanatanterahana ny fikaonan-doham-pirenena andraisan’ireo hery velona rehetra anjara hametrahana ny rafitra vaovao itantanana ny firenena, miainga amin’ny fanovana ifotony anjakan’ny tany tan-dalàna sy ny demokrasia tena izy, hoy hatrany ny fiaraha-mientan’ny herivelona maromaro mitaky izay famoahana gadra politika sy fikaonan-doham-pirenena izay omaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT