Mafampana ny raharaham-pifidianana

An’arivony ny fitoriana eny amin’ny HCC


  • Alakamisy 13 Jona 2024

Ny ampitson’ny famoahana vokatra vonjimaikan’ny fifidianana solombavambahoaka nataon’ny CENI omaly.

Eny amin’ny HCC ny mason’ny rehetra mikasika ny ho didy raikitra. Manana 48ora taorian’ny valiny vonjimaika ny kandida hametrahana fitoriana, ary manana eo amin’ny 16 andro ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC hamoahana izay vokatra raikitra izay. Fitoriana hatramin’ny 100 isa no voarain’ny HCC mikasika ny fifidianana solombavambahoaka farany teo, raha ny vaovao nitsipalotra tamin’ny haino aman-jery iray omaly. Marina fa maherin’ny 27000 ny birao fandatsaham-bato, kanefa mitambatra sy ambany fiahiahiana distrika 120 no nanatanterahana ny fifidianana, ka raha tsinjaraina izany izany dia manome salanisa hatrany amin’ny 8 na 9 fitoriana isaky ny distrika. Izay tratra aloha no tratra, toy ny tamin’ny tanàn-dehibe samihafa, fa mety nisy ihany koa ny fanararaotana tany amin’ny faritra sasany. Taratry ny faharatsian’ny fifidianana tamin’ny lafiny maro io : tsy fanarahan-dalàna, hosoka, hala-bato, fanodinkodinana safidim-bahoaka, setrasetra politika, fampitanilana ny fitantanan-draharaham-panjakana,… Hatramin’ny Firaisamonim-pirenena aza nisy nametraka fitoriana. Ny kandidam-panjakana izay akaiky ny fahefana mibaiko ny rafi-panjakana samihafa toy ny lehiben’ny distrika sy Prefe nanana fahefana nanova sefom-pokontany, nampiasa ny anaran’ny filoham-pirenena izay andrim-panjakana, nampiasa mivantana na ankolaka ny fananam-panjakana sy volam-panjakana,… aza milaza fa niharan’ny hala-bato. Toe-draharaha izay toa manamafy fa tsy misy ny « crédibilité » na fananana antoka tamin’ny fifidianana farany teo ary tsy manana fahamarin-toerana na « légitimité » ireo ireo voafidy indrindra fa ny kandidam-panjakana. Dia samy miandry ny vokatra ofisialy ny rehetra ka isan’ny itodihan’ny sain’ny maro ny momba ireo raharaham-pifidianana mafampana toy ny ao Faratsiho, Antananarivo III, Morondava, Ambatofinandrahana,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT