Mafampana ao Fianarantsoa

Vadina kandida tsy hita, nodidinina mpitandro filaminana ny trano,…


  • Alakamisy 23 Mey 2024

Mafampana ao Fianarantsoa ao ! Nanao fanambarana ny kandida tsy miankina Ralava sy ny komity

mpanohana azy omaly, fa iharan’ny antsojay, tsy hita hatramin’ny vadiny, nohodidina mpitandro ny filaminana,… Naneho fa amin’ny kandida dia mijoro ny tenany amin’ny fahatsapana fa miha lalim-paka, ary mihanaka ny antsojay ara-politika atao anay, ny endrika fampitahorana,… hoy izy. « Manambara amintsika fa nanomboka omaly hariva dia tsy hita hoe : aiza no misy ny vadiko hatramin’izao, maty ny finday, tsy hita, efa voadidina mpitandro ny filaminana ity « quartier général » anay ity, tsy fantatray ny antony », hoy io kandida io omaly. Ny resaka mandeha any ambadika sy tsilian-tsofina no anehoana hoe : mitady ny vadiny, ka tsy fantatra ny antony sy fotony, fa ao anaty vanim-potoanan’ny fifidianana no hitrangan’izany, raha ny fanamarihan’ny kandida Ralava. Nametra-panontaniana aza ny tenany fa raha tsy kandida ve dia niseho ny toy izao ? Lasa tsy misy, hoy izy, ny fitovian’ny herijika na « égalité de chance » amin’ny fifidianana ary voakorontana ny saina. Nanaitra ireo raiamandreny, ny olom-pirenena, ny firaisamonim-pirenena, ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ny sehatra rehetra izay ao anatin’ny sehatry ny fifidianana noho izany ny tenany, ka nanamarika fa ilaina ny fitoniana, ary tokony ho ao anatin’ny tena demokrasia ny fiatrehana fifidianana. Ny zo fototra no mitady ho voahosihosy vokatry ny zava-misy iainana eto Fianarantsoa amin’izay teritery sy antsojay politika, hoy hatrany ny kandida Ralava. Nilaza kosa ireo mpanohana, fa tolona efa natao ity ka tsy mijanona raha tsy tonga amin’ny tanjona. Tsara ny mampahatsiahy, fa anisan’ireo nangataka hiala an-daharana ity kandida ity tany aloha rehefa voalaza fa tratry ny tsindry, saingy tsy neken’ny HCC, ary izao mitohy zavatra hafa izao. Inona marina no tena ambadiky ny raharaha ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT