Hanao dia eto Antananarivo ny TGV tarihin’Atoa Andry Rajoelina, raha ny taratasy hita omaly.
Hifamotoana etsy amin’ny 3frères Andrefan’Ambohijanahary amin’ny 9ora maraina, ka hiainga eo, handalo ny Jirama, Descours, Ankadimbahoaka, Namontana, Rond Point Angarangarana, Pharmacie Volahanta, Anosibe, ary hiverina ao amin’ny 3 frères. Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny propagandy izao, ary ny kandida Rajoelina ihany moa hatreto no manao izany. Amin’ny lafiny iray dia zony tanteraka ny manao fihetsiketsehana, fa rehefa tarafina amin’ny sary politika miseho, dia misy endrika fiezahana handranitra sy hampiseho hery amin’ny ankilany satria efa namoaka vava rahateo I Andry Rajoelina fa raha vahoaka samy manana. Ny talata teo teny Anosibe, dia efa nisy ireo andian’olona nezahina nampiasaina hitabataba sy hanao sakana ny diabe am-pilaminan’ny Firaisankinan’ny kandida, ary omaly teny Tsiadana dia nisy ny loharanom-baovao azo fa efa misy “gros bras” niomana hanakorontana sy higafy tahaka ny fitoraham-bato, saingy niova làlana niazo an’Ambohipo moa ny diabe. Sanatrian’ny vava ve misy ny finiavana sy tetika hampifandonana mivantana ny vahoaka na “affrontement direct”? Tsara ny manamarika, fa tsenan’I Mahamasina rahampitso ka asa na fifandrifian-javatra ihany ny fiaingana tsy lavitra eo na ahoana?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.