Politique

Madagasikara sy Afrika Diso rafitra sy politika


  • Alatsinainy 29 Aogositra 2022

I Afrika tsy mahalala ny tena atao hoe fandrosoana izany, hoy ny mpandinika fiarahamonina frantsay iray nivahiny tamina haino aman-jery frantsay ny faran’ny herinandro teo.

Ny jeneraly De Gaulle, hoy izy, raha nanome fahaleovantena ireo zanantany frantsay dia tsy nampanantena fampandrosoana na “developpement” ho azy ireo fa nampanantena fifanarahana na “coopération”. Tsy mitovy anefa, hoy izy, ny kolontsaina, ny fiarahamonina, ny fomba fisainan-drizareo sy isika tany mandroso. Fiarahamonina tia fiombonana na “communiste” ny afrikanina. Isika frantsay kosa voataiza tao anatin’ny demokrasia malalaka na “libérale”, hoy hatrany ny tenany. Etsy ankilany dia isan’ny fanehoan-kevitrana mpanao politika sy mpandinika maro teto amin’ny firenena io resaka tsy fietezan-drafitra misy eto amin’ny firenena io. Mila miverina amin’ny demokrasiantsika dia ny demokrasia faha mpanjaka na “démocratie souveraine” isika, hoy ny antoko politika Natiora. “démocratie monarchique” no voizinay, hoy ny antoko politika Fanare, izany hoe toy ny tamin’ny andron’ny mpanjaka ihany. Tsy mety amintsika koa ity “démocratie libérale” ity, hoy ny vovonana vaovao ho an’ny fitohizan’asa na “Nouvelle plateforme pour la continuité”. Fehiny dia azo antoka amin’ny apahany betsaka fa diso rafitra sy politika aloha izany I Madagasikara sy Afrika, raha eo amin’ny resaka fampandrosoana, satria fampandrosoana tsy mendrika ny kolontsainy sy fiarahamoniny ary zava-misy ao aminy no noterena ho ampiharina eto hatramin’ny fanjanahantany no nankaty, raha izany rehetra izany no aravina.
Legende : Ny foiben’ny vondrona Afrikanina ao Addis Abeba, renivohitr’i Ethiopie
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT