Politique

Madagasikara-Rwanda Hamafisina ny fiaraha-miasan'ny tsy miankina


  • Talata 08 Aogositra 2023

Mpandraharaha Malagasy sy Rwandais manodidina ny 40 no nandray anjara tamin'ny hetsika "Rwanda- Madagascar Business Forum"

tao amin’ny Marriott Hôtel ao Kigali, izay natao indrindra hampahafantarana ireo sehatra azo ampiasam-bola eto Madagasikara, araka ny tatitry ny Fiadidian’ny Repoblika mikasika ny andro voalohan’ny fitsidihany ofisialy omaly. Nanatrika an’io ny Filoha Andry Rajoelina; Anisan'ireo sehatra laharam-pahamehana nivohitra nandritra izany fihaonana izany ny agrobusiness, ny fizahantany, ny teknolojiam-pifandraisana vaovao sy ny harena an-kibon'ny tany. Voalaza fa nahitam-bokatra avy hatrany ity fihaonana ity satria fanaovan-tsonia fifanaraham-piarahamiasa roa no nosoniavina androany: teo amin’ny EDBM sy ny Rwanda Development Board (RDB) ary teo amin'ny vondron'ireo sehatra tsy miankina malagasy sy Rwandais. Nandritra io no nolazan'ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina fa anjaran'ny Fitondram-panjakana ny mametraka politika hanatsarana ny tontolon'ny fandraharahana ho an'i Madagasikara. Naneho ny fahavononany ihany koa ny tenany ny hanatanterahana ny fampiharana ireo fanaovan-tsonia natao mba hanome vokatra azo refesina. Nankasitraka an'i Rwanda ihany koa i Andry Rajoelina nanome ohatra sy ny fifampizarana traikefa ho tombontsoa iombonan'ny firenena roa tonta. Tsy vao sambany no nisy sonia ara-piaraha-miasa izao teo amin'i Madagasikara saingy nijanona teo amin'io dingana io ny ankamaroany. Raha ny fifandraisana amin'i Rwanda manokana, isan'ny efa noresahana tamin'ny 2019 ny hanaovana sidina an'habakabaka manokana Antananarivo-Kigali fa mbola tsy tanteraka. Nisy ihany koa ny fandefasana delegasionina naka traikefa momba ny fanarenana ny Jirama sy fanafoanana ny delestazy tamin'ity taona ity fa hatreto mbola tsy tena misy vokany,... Firifiry izay dia nitondrana delegasionina maro tany ivelany izay fa ny serasera no betsaka hatreto, ka irariana mba tena hisy vokany, mba tsy ho vola sy fotoana lany fotsiny hatrany!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT