Misy feo mandeha mikasika fisiana fikasana
hanongam-panjakana amin’izao fotoana izao. Betsaka no manomboka manontany mikasika izany ny faran’ny herinandro teo, hatrany anaty Kaonsilà vahiny eto amintsika. Efa saika hatao fa nitsefotra ? Mbola vao fikasana ? Tsy azo hamaivanina, ary lojika ny mety ho fikasana hanao an’izany noho ny antony maro. Ara-politika, misy ireo tsy maty voalavo an-kibo noho ny fiovam-pitantanana niala tao anatin’ny Fanjakana jadona sy tompondakan’ny kolikoly ary hiroso amin’ny fanavaozana. Ara-toekarena, misy ireo mety mahatsiaro ho voakitikitika tombotsoa noho ny ady amin’ny tsimatimanota, ny fanadiovana sy ny fametrahana fitsipi-dalao mazava sy madio kanefa nisy ireo efa zatra nanao ny mena sy mangatsiaka tamin’ny fifehezana ny sehatra stratejika maro teto. Ny zavatra tsapa, na vao 2 volana latsaka aza ny fitondrana, dia manomboka mihamafy ny fiezahana hamingana, hanenjika, hanaratsy,… eny mandeha ny tetika rehetra hanaovana izay hankahalan’ny vahoaka ny Fitondrana mijoro. Nivoaka ny feo ny herinandro teo fa manomboka misy ny fanapaiahana vola hoentina manozongozona ny Fitondrana ankehitriny. Nisy avy eo ny fanambarana nataon’ny depiote IRMAR Atoa Haja Resampa izay efa sady sekretera Jeneralin’ny Fiadidian’ny Repoblika teo aloha no minisitra, fa tsy misy ny vola izay lazaina fa napetraky ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina tamin’ireo mpiara-dia aminy. Ity farany izay nilaza fa tokony hanatsahatra ny fanenjehana sy ny fampihorohoroana ara-tsaina atao amin'ny mpiara-dia amin'ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina, ka ny Fanjakana izay tarihin’ny Kolonely Michaël Randrianirina no tokony hanome baiko hampitsaharana ireny tranga ireny raha toa ka tena mikatsaka ny fitoniana eto amin ny firenena. Tsy zakan’ny volomboasary sy avadiny ho fanenjehana politika ny ady amin’ny tsimatimanota.
TSY AZO HAMAIVANINA…
Ny azo antoka aloha, tsy levon’ny vavonin’i Andry Rajoelina izay niezaka ny nifehy ny rafitra rehetra na nanao ny antsoina hoe : « capture d’Etat » nambaboana ny Fanjakana sy ny Firenena teto ny fionganana tao anatin’ny telo herinandro monja. Raha taom-piasana fahatelo no nandrasana, didy fampisamborana iraisam-pirenena no hipoitra. Mazava ho azy, ny fanadihadiana no mety hamaritra hoe misy ve ny tetika avo lenta miainga any ho any ? Azo heritreretina ny fisiana famatsiam-bola ara-politika hoentina hanozongozonana Fitondrana. Mety ho fanehoan-kery ihany koa mba hanehoana fa tsy azo hihodivirana amin’ny fiainam-pirenena sy ny fanapahan-kevitra mety handeha ny mpitondra teo aloha, toy ny natao teny amin’ny 13 mey ny 25 oktobra nifanandrify tamin’ny dian’ireo iraky ny Vondrona Afrikanina, hetsika notarihina minisitra iray teo aloha sy olona ambony teo aloha izay efa any am-ponja, re fa nampiasana volabe amina miliara. Mety sary politika mandeha ihany koa ny fisiana olona na andian’olona miresaka sy manome toky amin’i Filoha teo aloha fa afaka hanongana na hanozongozona ny Fitondrana mijoro, ka maka vola any. Talohan’ny fanendrena Praiminisitra no efa nisy depiote iray nilaza fa misy vola 28 miliara haparitaka mba hamonoana ny Filoha Randrianirina Michael, ny 05 novambra nisy an’ilay filazam-baovao fisiana volabe 2 miliara Ar sy basy vaovao 6 nambara fa saika hanaovana fanakorontanana politika sy fanonganam-panjakana,… Tsy azo hamaivanina ny mety ho fahamarinana na fahadisoan’ny feo mikasika fanonganam-panjakana. Miaramila no mitantana ny Firenena, ka heverina fa havanana sy haingana amin’ny resaka loharanom-baovao sy paikady eo anatrehan’ny mety ho fikasana hanakorontana Firenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.