Politique

Madagasikara misavorovoro lava Mbola misy fisaraham-pahefana ihany ve eto ?


  • Alarobia 14 Septambra 2022

Ny andininy faha-163 amin’ny lalàmpanorenana no mamaritra ny fisaraham-pahefana mazava tokony hotandrovina, saingy mampametra-panontaniana hoe: mbola manaja izany ve ny fitondram-panjakana ankehitriny?

Toa tadiavina tsy hisy intsony fisarahana eo amin’ny fahefam-pitsarana, fahefana mpanao lalàna, fahefana mpanatanteraka. Toa ny baiko politika no tadiavina hifehezana ny fitsarana raha tarafina amin’ny fihetsika sy firesaky ny manam-pahefana sasany. Mandeha resaka fakana sary ny valizin’ny filoha, dia tsy misy intsony ny resaka zo amin’ny tsy maha mbola voaheloka na “présomption d’innocence”, fa tonga dia misy mamoaka miaraka amin’ny ambara fa heloka hanenjehana izay olona, tonga dia lazaina fa olon-doza handeha hifofo ny ain’ny Filoha sy ny fianankaviany. Mandeha fitifirana nahafatesana ain’olona efa ho 30 dia misy tompon’andraikitra ambony toa tsy miandry intsony ny resaka fanadihadiana, fa tonga dia mamoaka fehin-kevitra hoe: iretsy na iry no tompon’antoka, toa lasa tsindry ankolaka na “influence” makany amin’ny mety hitondrana ny raharaha,… Io indray fa nampiato ny fanaovana kopia sy karapanondro faobe aloha ny mpitsara satria misy pitsopitsony tsy milamina, dia misy depiote IRD ao anatin’ny fahefana mpanao lalàna manenjika, dia ny Filohan’ny sendikan’ny mpitsara no henjehina fa misy tsy fitiavana vahoaka, ny kolikoly hiadiavana raha hanao ianao fa tsy ny tombotsoam-bahoaka izay omen’ny Fanjakana no sakananao,… Mbola misy ilàna fisaraham-pahefana ve raha tsindritsindry tahaka izany avokoa ny rehetra? Sa rehefa manana fahefana ara-politika dia manana ny fahefana rehetra ka afaka ny hitsabaka sy hanao tsindry etsy sy eroa?

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT