Madagasikara

Mirarakopana ny fanagadrana, mihamafy ny jadona


  • Alarobia 17 Jolay 2024

Taorian’ny endrika fangejana ara-politika samihafa nialohan’ny fifidianana filoham-pirenena,

izay namoahana naoty mandrara ny fahafahana manao famoriam-bahoaka ara-politika ankalamanjana izay hatramin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena nanao kihana, dia mitohy sy mitovy ireo endrika kajikajy politika hisorohana ny mety hisiana hetsika hanohintohina ny sezan’ny mpitondra. Iny nanaovana kajy tao Tsimbazaza iny ny fanovana ny fitsipika anatin’ny antenimierampirenena ka namaritana fa tsy afaka manao tatitra afatsy any amin’ireo distrika nahalany azy ny depiote. Ny andininy faha-69 ao amin’ny lalàmpanorenana anefa no mamaritra, fa depioten’i Madagasikara no iantsoana azy ireo. Dia mandeha ny karazana fanehoan-kevitra ara-politika ataon’ireo depiote avy amin’ny fanoherana hoe : eny aza fa ny depiote ao amin’ilay distrika no afaka manao tatitra, fa izahay afaka manatrika, ka dia avadikay kabary politika izany ny anay. Mitohy ny endrika antsojay ara-politika, toy ny fisamborana, fampiakarana fitsarana, fanagadrana,… Ireny niaraha-nahita ireny ny sambo-dokotra nahazo an-dry depiote Fetra Ralambozafimbololona sy ny Sekretera Jeneralin’ny TIM izay efa lasa depiote dia i Rina Randriamasinoro. Manan-draharaha noho ny fizaram-baovao mikasika ny Fanjakana ihany koa io Atoa Patrick Raharimanana izay ny 20 aogositra no voalaza fa hivoaka ny didy. Dia iny ihany koa fa nosamborina Rasambozafy Cyrille, efa any am-ponja hatry ny ela i Mahavitara Sylvestre, … Mbola betsaka ireo olona nogadraina izay misy endrika politika toa an-dry Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia, Mbola Rajaonah, Lola Rasomaharo, Mahery Lanto Manandafy, Stanley Ramarivelo,… Marina fa mety misy heloka sy vesatra hanenjahana azy ireny, ary tsy fiarovana, fa iaraha-mahalala ny endrika mizana tsindrian’ila toy ny fanadiovana ireo olon’ny fitondrana nanana dosie goavana, saingy misy aza ny nalefa ho depiote hialokaloka ao Tsimbazaza dia vitavita ho azy eo. Ny nanonganana an’i Marc Ravalomanana tamin’ny fotoan’androny no miverina sy miha zava-doza kokoa, ary toa misy ny hafatra alefa any amparahatoky ny rehetra, fa izay mianan-kendry eo dia efa miandry azy ny fanenjehana mahery vaika. Hatramin’ny ambasadaoro vahiny mitondra fanehoan-kevitra sy tsikera manoloana ireo zavatra mampiahiahy samihafa eto amin’ny firenena aza mahita loza. Tsy any amin’ny asa sy vokatra azo tarafina amin’ny fiainana ara-toekerana sy ny sosialim-bahoaka no hametrahan’ny fitondrana fahamarinan-toerana ara-politika ho azy, fa any amin’ireo kajikajy maloto samihafa miainga amin’ny lafiny lalàna, ny fampiasana ny mpitandro ny filaminana, ny fampihorohoroana ara-moraly,… Manamafy ilay famaritana ataon’ny mpandinika fa anaty fonjabe mitafo lanitra ny Malagasy eo anatrehan’ny tsy fahaiza-mitantana, fihemoran’ny firenena, fahantrana lalina, fangejana ara-politika, ampihimamba ara-toekerana,...
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT