Ny lalàmpanorenana, mandritra ity Repoblika faha-IV ity lany tamin`ny volana novambra 2010, no tena mampifanolana indrindra raha tamin`ny tantaran`i Madagasikara.
Miteraka adihevitra tokoa mantsy indrindra eo amin`ireo mpisehatra politika raha tokony hovaina na tsia ny lalàmpanorenana. Anisan`ireo miteraka adihevitra ny and. faha-54 mikasika ny fanendrena ny praiminisitra miainga avy amin`ny maro an`isa eo anivon`ny Antenimieram-pirenena. Eo ihany koa, ny fanovana ny andininy mikasika ny Fitsarana ambony (Haute cour de justice) izay lazain`ireo firaisamonim-pirenena fa lasa fialokalofan`ireo tsy matimanota. Niteraka resabe ihany koa nandritra ny fitondran`ny filoha Rajaonarimampianina ny and. 46, izay mitaky ny fametraham-pialan`ny filoham-pirenena am-perinasa izay mirotsaka hofidiana ary nisy mihitsy ny fikasana hikitika lalàmpanorenana ny taona 2017. Na ny filohan`ny Repoblika, Andry Rajoelina, vantany vao voafidy filoha ny taona 2019 dia nihazakazaka nampiantso fitsapan-kevi-bahoaka hanovana lalàmpanorenana nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 19 aprily lasa teo ary saika nampiharana tamin`ny fifidianana solombavambahoaka saingy notsipahan`ny HCC noho ny tsy mahafeno fepetra takiana araka ny voalazan`ny and. faha 161 ao anaty lalàmpanorenana. Araka ny loharanom-baovao voaray, efa an-dalana ny famolavolana izany “referendum” izany ka antony iray tsy nandraisana didim-panjakana niantsoana ny mpifidy amin`ny fifidianana monisipaly. Mitohy ny adihevitra ary tsy azo ihodivirana ny fikitihana ity lalàmpanorenana ity noho izy mampifanolana eto amin`ny firenena. Sao tokony hiditra amin`ny Repoblika faha-V kosa satria tsy misy mankato na ireo olona nandrafitra azy. "Tsy laharam-pahamehana ho ahy ny fanovana Lalàmpanorenana ", hoy ny kandidà Andry Rajoelina nandritra ny fihaonany tamin'ny Groupement des entreprises de Madagascar (GEM) tamin'ny 3 desambra 2018 kanefa vao am-bolana nitondrany dia ny hanao fitsapan-kevi-bahoaka no nahamay azy. Marihina kosa fa tsy tokony hirotorotoana ny fanovana izany ary teboka maro no ilaina amin`ny fanitsiana. Ilaina ny firesahana amin`ny lafin-kery misy eto amin`ny firenena satria mila fandinihana lalina sy fanomanana tsara raha hiditra amin`izay lalana izay sao misy adino.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.