Sendra vahoaka hendry mpitondra ny malagasy ! Efa ho herinandro izao na ny Filoham-pirenena na ny praiminisitra dia samy tsy misy eto an-tanindrazana hitantan-draharaha intsony.
Tsy mbola nisy tranga ny toy izao hatramin’izay nisian’i Madagasikara. Miandry am-pitoniana ny mpiarabelona. Ireo manampahefana handray fanapahan-kevitra no manararaotra toy ny banga mihomehy alina. Ny fitavozavozana koa moa etsy an-daniny. Omaly maraina no tonga teto an-tanindrazana Atoa Rasamimanana Tiana, talen’ny kabinetran’ny praiminisitra. Nampivory ireo mpiara-miasa aminy akaiky izy nilaza fa salama tsara ny praiminisitra ary tsy misy atahorana ny fitohizan’ny asa. Ny olana anefa dia tsy mahalala ny olana misy ny vahoaka entina izay mahatratra 22 tapitrisa. Mpanolotsaina iray eo anivon’ny primatiora no nilokaloka sy nampanantena fa hiresaka amin’ny tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny primatiora mba hampahafantatra ny vahoaka amin’ny alalan’ny gazety ny zava-misy, kanefa tsy hita akory izay natao. Raha nanontaniana indray ny teny anivon’ny tafika dia ny tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny etamazaoro jeneralin’ ny tafika ihany no mba mamaly antso fa ny ambiny hatrany amin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena dia samy tsy takatra antso avokoa. Tsy te hiresaka angamba e !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.