Politique

Madagasikara Anaty krizy ara-drafitra tanteraka


  • Alarobia 11 Aprily 2018

Mikorontana tsy mandeha amin’izay laoniny intsony ny raharaham-pirenena, fa tratry ny krizy ara-drafitra. Tsy misy azo antenaina amin’ny fahefana mpanao lalàna fa dia ny fizarana malety sy ny resaka kolikoly no malaza.

 

Misavoritaka tanteraka ny samy mpikambana ao anaty andrim-panjakana, hany vaky sy miseho masoandro ny fomba maloto isan-karazany mahakasika vondron’olona na olon-tokana ao anatin’ny antenimieram-pirenena. Fahafaham-baraka tsy roa aman-tany ireny, saingy efa tsy olana intsony ho an’ny manampahefana Malagasy, fa rehefa miditra ny vola na hivarotana fo amam-panahy aza tsy olana intsony. Ny eny amin’ny antenimierandoholona moa, dia efa tsy atao mahagaga intsony satria ny hevitry ny antoko tokana no manjaka. Ny governemanta, ao anatin’ny fahefana mpanatanteraka toa lany andro mampitony vahoaka sy mampanantena abobo na efa hita izao aza ny tsy fahombiazana. Mifampiaro amin’ny ratsy, ka vitavita ho azy ny raharaha sokajiana ho manaratsy endrika ny mpitondra, toy ny kolikoly avo lenta, ny fahadisoana mihoapampana amin’ny raharaham-panjakana. Mifankahalala afera rahateo, hany, ka hatramin’ny filoha aza toa tsy sahy mandray fanapahan-kevitra eo anatrehan’ny tsy fahombiazana. Ny fahefam-pitsarana moa toa somary mikorontana sy mifanipaka, raha tsy hilaza afa tsy ny tsy fitoviam-pijery teo amin’ny sendikan’ny mpitsara sy ny minisitry ny fitsarana nanoloana ny raharaha Houcine Arfa noho ny ahiahy kolikoly goavana. Efa tonga hatrany amin’ny fitakiana ny fialan’ny minisitra, saingy nangina sy tampina ny daomy amin’izao fotoana. Fitoniana eto amin’ny firenena tsy misy, ary ny mpitondra mila izany indray no toa mihantsy ady. Tsy voalamina sy tsy voafehin’ity fitondrana ity ny zava-drehetra, ka mitarika krizy ara-drafitra, ara-toekarena, ara-tsosialy. Ny kolikoly sy ny afera maloto no manjaka, ka atao mahagaga ve raha tsy resy lahatra sy tsy manampy antsika ny vahiny noho ny fisalasalana ? Ireo ve no mbola haverina tsy efa famonoan-tena ankitsirano ny an’ny Malagasy ? Ny olana ankehitriny tsy hita izay vahaolana azo tsapain-tanana, kanefa dia efa mampanantena abobo hakana fom-bahoaka amin’izato Fisandratana 2030. Ny an-tratra tsy lavo ka antsoy koa rainilahy be !


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT