Madagascar perfect, AMM, Arema

“Fotoana izao hidirana amin’ny rafitra vaovao”


  • Talata 10 Oktobra 2023

Hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko ary hataoko ahoana no fijery ny fandringanana ny iray razana

amiko?”, izany teny ao amin’ny Baiboly ao amin’ny Estera 8:6 izany no nitondran’ireo vehivavy nirotsaka ho kandida filoham-pirenena miisa 3 saingy ny 2 nanala ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiana, noho ny fahitana ny fikarakarana izany fifidianana izany ho miha mitanila hatrany ary ny 1 moa nolavin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Olompirenena vehivavy, renim-pianakaviana izahay, hoy ny filohan’ny antoko politika Madagascar perfect, Sylvia Ranaivojaona. Nanana fahavononana handray andraikitra teto amin’ny firenena tamin’ny alalan’ny firotsahan-kofidiana ho filoham-pirenena, hoy izy. Vonona mandrakariva izahay hikatsaka ny mahasoa ny mpiara-belona sy firenena. Mahita sy miaina ny zava-misy izahay. Voalohany ny fampizarazarana ny malagasy ka hamerenana indray ny zarazarao hanjakana. Mety hitarika amin’ny fanjakan’ny Baroa ary hiafara amin’ny ady an-trano izao fifandonana izao. Miaina anaty tahotra sy horohoro ny vahoaka noho ny savorovoro misy. Manjaka ny tsy fanajana ny lalàna. Voahosihosy ny demokrasia, hoy hatrany ity kandida ity. Fotoana izao hidirana amin’ny rafitra vaovao manome hasina ny kolontsaina malagasy sy ny fomba malagasy ary ny fahendren-drazana, hoy hatrany ireto kandida ireto, ka miantso ny fikaonandohan’ny samy malagasy handraisan’ny herivelona rehetra anjara ahitana vahaolana. Samy niatrika ireo mpanao gazety nanao ity fanambarana ity avokoa moa ireo andriambavilanitra voakasika dia ny filohan’ny Madagascar perfect, Sylvia Ranaivojaona, ny filohan’ny Avotantsika miaraka i Madagasikara na AMM, Masy Goulamaly, ny sekretera nasionalin’ny antoko politika Arema na Antoko revolisionera malagasy, Annick Ratsiraka.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT