Politique

Madagascar, le changement “Tokony hifototra amin’ny fihavanana ny fampandrosoana eto”


  • Alakamisy 20 Oktobra 2022

Tsy misy dikany fifidianana atao eto Madagasikara raha miainga amin’ny fifidianana an’I Rakoto mankany amin’i Rabe nefa tsy misy fitsinjovana ny sosialy sy toekaren’ny vahoaka malagasy,

hoy ny loholona teo aloha isan’ny tompon-kevitra tamin’ilay vina antsoina hoe “Madagascar, le changement”, Joseph Yoland. Firenena manankarena i Madagasikara, hoy izy. Ahoana no aty amin’ny laharana farany aty isika amin’ny resaka fampandrosoana? Tsy lojika izany. Tsy fanovana olona hitondra no hampiova zavatra eto Madagasikara fa ny fanovana ny rafitra hitantanana ny firenena hitsinjovana ny tombontsoam-pirenena, ny fampandrosoana, ny vahoaka maro an’isa. Efa nandamina ny raharaham-pirenena amin’ny alalan’ny fihavanana moa isika eto Madagasikara ka zava-dehibe eto amintsika io fihavanana io. Tokony hifototra amin’ny fihavanana ny fampandrosoana eto. Maro ny foko eto fa raha mahay mihavana sy mandamina ny raharaham-pirenena dia milamina ny firenena. Manam-pahaizana avy amina oniversite maro no nandrafitra ny “Madagascar, le changement”. Tsy tokony hanaraka ny baikon’ny vahiny isika. Tokony hijery izay zavatra mifanaraka amintsika. Ovana daholo ny lalana satria vokatry ny faneren’ireo vahiny. Kandida manana zom-pirenena malagasy fa tsy zom-pirenena miisa 2 no tokony avela hilatsaka filoham-pirenena. Mila hay ny mampiakatra ny harinkarem-pirenena sy vola miditra amin’ny kitapom-bola malagasy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Joseph Yoland
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT