Tsy nisalasala ny prefen’i Mahajanga, Rakotoaridina Dieudonné nilaza ampahibemaso fa hakatony ireo haino aman-jery roa tsy miankina dia ny M3TV sy Viva Mahajanga satria dia manohintohina ny fahefany (?).
Lehiben’ny Distrikan’i Marovoay teo aloha ity solontenam-panjakana ity nialoha ny nanendrena azy ho prefen’i Mahajanga. Mbola izay andraikitra maha lehiben’ny Distrikan’i Marovoay izay no notononin’ny mpanao gazety tamin’ny vaovao nalefan’ny M3TV, ka tsy levon’ny vavonin’ny Prefe na efa niaiky ka nanitsy ny hadisoany aza iretsy mpilaza vaovao. Ny fivantambatan’ny Viva amin’ny tsikera ny fitondrana indray voalaza fa tsy azoazony. Ho tonga any amin’izay fanakatonana izay tokoa ve ny raharaha sa mijanona ho fampitandremana fotsiny ihany ?
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.