Lova Andriamparany

«Mihemotra be ny fahafaha-maneho hevitra eto Madagasikara!»


  • Alakamisy 06 Febroary 2025

Hafahafa ihany ilay fanapahan-kevitra mikasika ny fanomezan-danja ny atao hoe demokrasia

eto amin’ity firenena ity ankehitriny, hoy ny mpandinika fiainam-pirenena, Lova Andriamparany, indrindra moa fa hoe mila solontena avy amin’ny prefektiora hanatrika ny fivorian’ny mpanohitra. Inona intsony moa no maha fivorian’ny mpanohitra an’izany, hoy izy? Demokrasia hafahafa be izany. Na ataontsika hoe any Korea avaratra sy Birmania na izay firenena hafa tsy manaja sy tsy misy demokrasia aza angamba tsy manao izany. Ny fivoriana na fanehoan-kevitra an-dalambe moa izany hatramin’ny taona 2018 no efa tsy nomena ny mpanohitra intsony ny alalana. Mampiverina tany amin’ny repoblika faharoa ohatran’ilay hoe mila vakiana eo anoloan’ingahy minisitra na ny solontenan’ny minisiteran’ny filazàm-baovao tamin’izany fotoana izany aloha ny gazety ho avoaka rahampitso dia izy avy eo no manapa-kevitra hoe ity azo atao, ity tsy azo. Ity azo avoaka, ity tsy azo avoaka! Mety ho ohatran’izany koa ve izany ity hoe fivorian’ny mpanohitra mila atrehin’ny solontenam-panjakàna ity mba hiteny hoe azonareo resahina izany na tsia? Ny dikan’izany rehetra izany dia mihemotra be ny fahafaha-maneho hevitra eto Madagasikara, hoy hatrany izy!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT