Loton'ny Bazar kely Toamasina

Anisan'ny porofon'ny tsy fahaiza-mitantana


  • Alatsinainy 04 Martsa 2024

Rehefa naverina nojerena ny vaovao sy ny sary dia niha ratsy

kokoa noho nu zava-nisy tamin'ny taona 2017 no iainana amin'izao fotoana, amina faritra maro manerana ny nosy.
Andeha ho raisina ny momba an'i Toamasina, renivohitra ara-toekaren'i Madagasikara ary anisan'ireo faritra manintona mpizaha-tany sy mpiala sasatra. Toerana manan-tantara, manana ny maha izy azy ary anisan'ny maha Toamasina an'i Toamasina tahaka ny eny amin'ny Bord, ny Avenue, ny Cité Canada ny tsenan'i Bazar kely.Anisan'ireo tsena nisy efa ela. Mazava ho azy fa rehefa nisy ny fikorontanana teto ny taona 2009 dia nikorontana nanaraka izay ihany koa ny fitantanana ka sehatra maro no nikoroso fahana, anisan'izany i Bazar kely. Lasa feno loto, maimbo, ahitana rano miandrona mandava-taona, eo anefa no ividianana ireo karazan-tsakafo hohanina.Misy karazana hotely gasy sy toeram-pisakafoanana ihany koa ao Bazar kely. Ekena fa matetika misy ny hoe asa fanadiovana faobe, fanamboarana kely sy fandokondokoana...fa ny hita aloha dia vahaolana tefy maika ihany no nisy tao tato anatin'ny 10 taona.Ary raha mampitaha ny sary ny taona 2017, avy eo 2021 ary amin'izao 2024 izao dia tena hita porofo mazava be tsy iadian-kevitra fa niha naloto sy niha voretra ny ao Bazar kely sy ny manodidina. Ny 2018 anefa rehefa nandeha ny fampielezan-kevitra fifidianana filoham-pirenena dia nafotaka ny fampanantenana tao Toamasina, fa hoe ataontsika tsara, madio, mahatamana, hanintona mpitsidika maro be avy eto an-toerana sy avy any ivelany, atao tahaka ny any Miami (Floride USA) i Toamasina.Dia lany filoham-pirenena moa ny kandidan'ny TGV Mapar, nanaraka io loko io ihany koa ny ben'ny tanànan'i Toamasina I. Nisy tokoa ny fanamboarana toeram-pitsangatsanganana eny amin'ny moron-dranomasina fa ny ankoatran'izay dia mampiteny ny moana ny fahapotehan'ny lalana ao Toamasina sy ny loto amina toerana maro ao, anisan'ny ao Bazar kely.Ny lalam-pirenena faha 2 moa dia io efa iaraha-mahifa io ny fahasimbany.
Midika izany rehetra izany fa trano-pody no vitan'ny vava, ary tena fampiesonana manara-penitra no natao teto. Ampahan-javatra kely vita, mody atao manjelanjelatra be no hanakonana ny maro be tsy vita. Anisan'ny lasibatra tamin'izany i Toamasina. Ary mahalala tsara an'io ny mponina ao satria miaina isan'andro fahasahiranana.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT