Lotoina amin’ny fitadiavan-tsezan’ny mpitondra

Maty hasina ny asam-panjakana sy mpiasam-panjakana…


  • Talata 18 Jona 2024

Mampiteny ny moana ny fitarainana avy amin’ny lafivalon'ny Nosy manamafy fa tsy misy nandeha

tamin’ny laoniny, fa nanjakan'ny halatra nifarimbonan'ireo kandidam-panjakana sy ireo solontenam-panjakana isam-paritra, ny vokam-pifidianana solombavam-bahoaka teo iny,… Henj Tsy natao mahagaga anefa izany fa ny mifanohitra tamin'izao aza no tena fahagagana. Eo ireo kajikajy samihafa hita maso niainga tany amin’ny fanoloana sefom-pokontany, ny zava-nitranga tamin’ny latsabato toy ny fahatrarana kara-pifidianana maro, fahatrarana bileta navoaka nialoha, ny fitanana an-tsoratra na PV nosoniavina nialoha, ny fanatsinginana tarehintsotra mba hanovana ny isam-bato,… fa indrindra indrindra ny fampiasana ireo rafitra sy fahefam-panjakana samihafa. Rehefa nisafidy ny nirotsaka mivantana nanao fampielezan-kevitra an-kolaka nanao izay hampandaniana ireo depiote mpiray antoko aminy ny Filoha Andry Rajoelina, dia efa baiko midina tsy azo hidovirana izay hoan'ireo olom-boatendry sy mpiasam-panjakana tamin'ireo distrika nanaovan'ny Filoha be midina. Koa satria mifikitra mafy amin'ny toerany manahy sazy milatsaka ho famaizana azy ireo olom-boatendry sy mpiasam-panjakana ireo, dia nampiharina daholo rehefa tetika sy paipaika maloto natao izay hampandresena ny kandidam-panjakana. Ny tao Ambatofinandrahana, ohatra, dia natao ny tery rehetra ho an’ny mpampianatra, ary rehefa vita ny fifidianana dia nesorina ny Chef CISCO mamy hoditra, ka nosoloina olon’ny IRMAR, izay ampangain’ireo mpampianatra ho nanao ny teritery samihafa sy nanao fampitandremana ireo tsikariny nanotrona sy liana tamin’ny fampielezan-kevitry ny kandida Christine Razanamahasoa. Samy mahita ny tombontsoany ny rehetra amin'izay. Lany soamantsara ny kandida lôranjy. Tsy bedy na voasazy manahy hafindra toerana ireo olom-boatendry sy mpiasam-panjakana, ary avotra soa aman-tsara ny laza amam-boninahitry ny Filoha Rajoelina izay afaka maneho eo imason'ny fianakaviambe iraisam-pirenena fa tena mbola mamim-bahoaka izy matoa notohanan'ny mpifidy ireo kandida Irmar. Heverina tokoa fa dia ho tefa-tsofina mandrivorivo hoan'i Andry Rajoelina raha toa ka tsy lany depiote ireo kandida nisahiranany notohanany tamin'ireny fitsidiham-paritra nizarany jiron'akoho ireny, ka dia io no niafarany. Dia ireny iaraha-mahita ireny anefa ny fihetsiky ny mpanao politika sasany amin’ny mpiasam-panjakana ambony, toy ilay depiote nanevateva Lehiben’ny distrika. Betsaka anefa ireo sehatra tofoka, eny fa na ny mpiasam-panjakana, ny tontolon’ny fitsarana, ny mpitandro ny filaminana aza,… eo anatrehan’ny tsindritsindry sy famonoan-kasina ny asam-panjakana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT