Lolohona

Nanao fanambaram-panana teny amin’ny HCC


  • Talata 23 Janoary 2024

Tonga teny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana Ambohidahy omaly

alatsinainy 22 janoary 2024 ny Jeneraly RAVALOMANANA Richard notronin’ireo Loholon’i Madagasikara, nanatitra ny fanambaram-pananany amin’ny maha Filohan’ny Antenimierandoholona ny tenany, araka ny fampahafantarana nataon’io andrim-panjakana io. Izany moa no natao dia ho fanajana ny voalazan’ny ao amin’ny andininy faha 41-n’ny Lalàmpanorenana. Nandritra io no nilazan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona fa tany tan-dalàna i Madagasikara ka tokony samy hanaja ny lalàna ny olon-drehetra ary miantomboka amin'ireo tompon'andraikim-panjakàna isan-tokony izany. Na izany aza, hatreto dia dosie mipetraka eny amin’ny HCC fotsiny ihany ny fanambaram-pananan’ireo mpitondra ambony, ka rehefa misy raharaha mety hahakasika azy vao mety hojerena. Tsy mandeha tsy voizina ny fitsarana eo anatrehan’ny tokony hisian’ny fanadihadiana hoe : raha ireo ny fananana nambara tao anatin’ny fananana ny fahefana dia nanao ahoana rehefa niala teo ? Tena tao anatin’ny ara-dalàna ve ny fitomboan’ny haren’ny manam-pahefana iray sa nisy ny kolikoly na fanaparam-pahafena ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT