Lolitah Rasoarimanana

«Aoka mba ho tena ny marina no hivoaka»


  • Zoma 30 Aogositra 2024

Betsaka ny tsy fahatomombanana tao anatin’ireny fifidianana natao farany teo ireny,

hoy ny filohan’ny fikambanana Vonona hibanjina ny lavitra na VHL sady kandida ho ben’ny tanàna ao amin’ny kaominin’Ambavahaditokana, Lolitah Rasoarimanana. Tanjona amin’ny fivoriana natao teny amin’ny CENI Alarobia ny alarobia 28 aogositra teo, hoy izy, ny mba hampanjakana ny mangarahara amin’ity fifidianana kaominaly hoavy ity. Izay moa no fangatahanay hoe aoka hanjaka ny mangarahara fa ny safidim-bahoaka tsy tokony haodina mihitsy! Aoka mba ho tena ny marina no hivoaka! Sosokevitra arosonay ny hoe aoka avela ho entitra sy malalaka ny fanaraha-maso manomboka eny amin’ny birao fandatsaham-bato ka hatreny amin’ny foiben’ny CENI! Any amin’ny biraom-pifidianana dia tokony efa hita ny valim-pifidianana. Mba tsy ho heno intsony ny hoe tsy navela hiditra tanaty biraom-pifidianana ny delege sasany, hoy hatrany ity kandida tohanan’ny Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT ity.
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT