Politique

Lola Rasoamaharo Vizanina tanteraka


  • Alarobia 07 Jona 2023

Niakatra fitsarana teny Anosy indray omaly ny Filoha Tale Jeneralin’ny La Gazette de La Grande Ile Atoa Lola Rasoamaharo, ka ny raharaha Jirama sy ny fitorian-dRtoa Brigitte Razaka no nitsarana azy.

Raha tsiahivina dia naverina manontolo ny fitsarana noho ny fialan’ireo mpitsara teo aloha an-daharana. Nanomboka tany amin’ny 8ora maraina hatramin’ny 8ora alina latsaka kely no niatrika ny fitsarana azy ny tenany, nitondra tehana sy hita ho reraka, ka nisy fotoana nitambotsotra tany ho any amin’ny tamin’ny 3ora tolakandro, raha ny fanamarihana. Nilaza Atoa Lola Rasoamaharo fa tsy tompon’antoka amin’ny fitakiam-bola na “extorsion de fonds” iampangan’I Brigitte Razaka azy, efa nilaza raha ny notaterin’ny fahitalavitra iray, fa io ramatoa io aza no nananany 11 miliara Ar kanefa 3 miliara Ar no naloany. Fandefasana fangatahana ny volany tamin’ny adiresy mailaka no nambarany fa nataony. Tsy izay 885 tapitrisa Ar noresahin-dRtoa Brigitte Razaka nambarany fa manahirana azy, fa ny tokony handoavana ny volany 8 miliara Ar. Nolavina ny fangatahana fahafahana nataony tamin’ny raharaha Brigitte Razaka. Mbola naverina any am-ponja, ka amin’ny 13 jona ny didim-pitsarana. Io raharaha io moa no nidirany am-ponja vonjimaika ny 25 martsa teo, vao niitatra zavatra hafa. Mikasika raharaha Jirama kosa, nolaviny ny fiampangana azy ho nangalatra jiro an-tsokosoko manodidina ny 60 tapitrisa Ar ny jolay 2018 hatramin’ny taona 2022. Nilaza fa tsy nampiasa Jirama fa nampiasa milina noho ny delestazy. Miisa 9 raha ny nambarany no mpiara-miombon’antoka tao amin’ny La Gazette, ny 3 efa maty, kanefa dia izy ihany no henjehina. Nihemotra rahampitso 8 jona ny didy momba ny Jirama. Nitaky onitra 30 tapitrisa Ar indray ny Jirama ankoatra ilay efa fitakiana 400 tapitrisa mahery izay voalaza fa efa nisy didim-pitsarana, ka nanakatonana ny La Gazette sy nanagiazana ny fananany. Mbola nampirimina any am-ponja aloha izany Atoa Lola Rasoamaharo, izay maro no maneho fa tsy raharaha tsotra fa tafiditra ny politika avo lenta ny fandetehana azy. Toa karazan’ny efa nandrasana an-kendritohana ka vizanina tanteraka rehefa zohiana ny fitosak’ireo fanenjehana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT