Anio zoma 19 may 2023 amin’ny 8ora sy sasany no hivoaka ny didim-pitsarana mikasika ny raharaha iray hanenjehana ny Filoha Tale Jeneralin’ny orinasan-gazety La Gazette de la Grande Ile.
Ilay fitorian’ny Jirama mikasika hosoka sy halatra herinaratra nambara fa nataony no anton’io, izay itakian’io orinasa io 414 524 704,53 Ar. Io no niteraka fanagiazana ny fananan’ny La Gazette ny 30 martsa lasa teo, izay nambara fa ho fampiharana ny didy navoakan’ny Fitsarana ambony teto Antananarivo miaraka amin’ny Antenimieran’ny Varotra ny 28 jolay 2022, izay lasa niteraka fanakatonana ny La Gazette, izay lasibatra hatramin’ny mpiasa sy ny mpanao gazety. Tsara moa no mampahatsiahy fa naiditra am-ponja nanomboka ny 25 martsa Atoa Lola Rasoamaharo, izay niainga tamin’ny fitorian-dRtoa Victoire Brigitte Razaka mpandraharaha izay nilaza fa nanao fitakiam-bola tsy ara-drariny sy nandrahona ary nanala baraka azy ". Vola mitentina 885 tapitrisa ariary no nambara fa notakian’I Lola Rasoamaharo tamin’izany. Nanao randra-mitarika avy eo ny karazana vesatra nandetehana azy ka ampahany io handalo fitsarana anio io. Misy moa no naneho fa tafiditry ny politika ny raharaha Lola Rasoamaharo. Asa hanao ahoana ny tohiny ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.