Politique

Lola Rasoamaharo Gadraina noho ny resaka lonilony avo lenta ?


  • Alatsinainy 27 Martsa 2023

Nidoboka vonjimaika etsy Antanimora ny takarivan’ny sabotsy 25 martsa lasa teo Atoa Roland Hubert Rasoamaharo Tale Jeneralin’ny La Gazette de la Grande Ile, rehefa avy nampandalovina teny amin’ny Fitsarana Anosy efa madiva ho alina.

MIFAMAHOFAHO BE IHANY
Nifamahofaho tanteraka ny antony nisamborana sy nampidirana am-ponja azy ny sabotsy teo, saingy omaly dia fantatra fa Rtoa Victoire Brigitte Razaka Mpandraharaha vadina diplaomaty vahiny avy any Italie no nitory, ary ny mpisolo vava ity farany no nanao fampitam-baovao tamin’ny mpanao gazety, ka "tentative d'extorsion de fonds, menace, diffamation et injures" na fitakiam-bola tsy ara-drariny, fandrahonana, fanalam-baraka no nambara fa vesatra hanenjehana azy. Voalazan-dRamatoa Victoire Brigitte Razaka tamin’ny mpisolovava azy fa nanomboka tamin'ny volana novambra 2022 ny tenany no nitakian'Atoa Lola Rasoamaharo vola tsy ara-drariny mitentina 885 tapitrisa ariary tao anatin'ny fiaraha-miasa nisy tamin'izy ireo. « Nampitahorina halaina baraka raha tsy manaiky ny fiaraha-miasa taminay. Rehefa tsy nanaiky ny porofon’ny vola notakiany tamiko izy, dia nofenoiny « graffiti » misy ny anarako, feno fanalam-baraka ny rindrina akaikin’ny toerana misy ny fonenako sy ny làlana fandehanako andavanandro tamin’ny volana febroary. Nitebiteby andro aman’alina izahay sy ny vady aman-janako, ary voatery niala kely teto Antananarivo mihitsy aza”, hoy ny voalaza fa fitarainan’io Rtoa mpitory io novakian’ny mpisolovava azy. Voalaza fa notapenana ireo soratra misy anarana miisa 40 saingy tonga andro aman’alina ny fandrahonana am-bava sy an-tsoratra ary ny fitakiana vola. Ny 22 martsa, niverina indray ny graffiti misy anarana sy manala baraka eraky ny rindrana. Nitombo maherin’ny 50 satria natahotra ny ainy, ka nametraka fitoriana. Nanipika ny avy amin’ny mpitory, fa adin’olona tsotra. Andrasana ny tohiny sy ny mety ho setriny avy amin’ny mpisolovava ny ankilany raha hisy an’izany.
INONA NO VOALAZAN’NY LALANA?
Raha miverina kely tsotsotra amin’ny lalàna fotsiny satria mpanao gazety sy tompona gazety no voaresaka eto, ny andininy faha-20 ao anatin’ny lalàna 2020-006 mifeny ny haino vaky jery na « Code de la Communication médiatisée» dia milaza mazava fa tsy misy intsony ny fanagadrana mpanao gazety fa lamandy no saziny raha toa izy ka voamarina eny amin’ny Tribonaly fa nanao fahadisoana ao anatin’ny asany na ilay atao hoe « délit de presse ». Raha raisina amin’ny fanazavan’ny mpitory kosa, any amin’ny resaka fahadisoana noho ny fanohintohinana ny zo maha olona na "délit de droit commun" no namelezana an’I Lola Rasoamaharo, ary ny fehezan-dalàna famaizana na “Code pénal” no mety hitondrana azy. Andrasana ny fivoarany satria maro ihany koa no maneho hevitra sy mieritreritra fa mety ho tafiditry ny raharaha politika sy resaka lonilony avo lenta ihany io raharaha io noho ny orinasan-gazetin’Atoa Lola Rasoamaharo masiaka fanoratra. Matetika moa no henjehina amin’ny ady heloka tsotra na ady heloka bevava ny mpanao gazety amin’izay mangiana ho azy ilay lalàna mifehy ny asa fanaovan-gazety ; ary mangiana miaraka amin’izay ihany koa ilay mpanao gazety..efa any am-ponja tsinona.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT