Loholona sy CST teo aloha

«Izao tolona 2025 izao no tokony hamarana ny krizy!»


  • Alatsinainy 24 Novambra 2025

Nanao fanambaràna omaly ny ACS na

Amical des anciens CST et sénateurs de Madagascar» fa sarotiny amin’ny tarigetra mikasika ny fanorenana ifotony sy ny tokony handraisan’ny vahoaka malagasy an-tanana ny raharaham-pirenena izy ireo nandritry ny taona maro. Tsy nitsahatra nanao ny tolona sy nanome sosokevitra mifandraika amin’izany izahay, hoy izy ireo, saingy tsy nisy nihaino ireo fitondràna nifandimby. Ankehitriny, isaorana ilay mpahary fa tonga ny fotoana noho ny tolom-bahoaka notarihin’ireo mahery fo tsy manaiky lembenana dia izy 3 mianadahy Clémence, Lily, Babà, izay namaky lay ny 25 septambra 2025. Nampian’ireo tanora Génération Z sy ireo mpianatry ny oniversite manerana ny nosy. Natevenin’ireo mpiasa sy sendikà maro. Nontronin’ireo vahoaka marobe ary nofaranan’ireo tafika malagasy ao amin’ny CAPSAT izay sahy nijroro sy nandray andraikitra ka tsy nanaiky ny fandratràna sy famonoana ireo mpitolona teny an-kianja. Rivo-baovao no iainan’ny vahoaka malagasy amin’izao fotoana izao ary miroso amin’ny fanavaozana tena izy. Tsy ekena intsony ny tsy fahombiazana toy ireo tolona niainan’ny malagasy ny taona 1972, 1991, 2002, 2009, 2018. Izao tolona 2025 izao no tokony hamarana ny krizy namotika ny firenena hatramin’izay. Tsy ekena intsony ny teti-dratsy mety hamingana ny fanavaozana miainga amin’ny fanorenana ifotony ho tanterahina eto amin’ny firenena! Saro-piaro amin’ny fahombiazan’izao tolona izao ny ACS ka miantso ny mpiray tanindrazana rehetra ho mailo ary handray anjara feno amin’ny fihaonambem-pirenena ho tontosaina tsy ho ela. Ny mpikambana ato amin’ny ACS, izay miparitaka manerana ny nosy dia handray anjara feno amin’izany. Hitondra ny traikefa ananany amin’ny maha loholona azy ireo. Mba hisian’ny fahombiazana matotra sy maharitra, ny hevitra rehetra ho dinihina mandritry ny fihaonambem-pirenena dia tokony hiainga avy any amin’ny fokonolona monina eo anivon’ny fokontany manerana ny tany sy ny fanjakàna. Ny ACS dia mankahery sy mitondra am-bavaka ireo raiamandreny am-panahy dia ny FFKM manoloana ny andraikitra raisiny amin’ny fanatanterahana an’io fihaonambem-pirenena io. Zava-dehibe ho an’ny vahoaka malagasy ny fahavononana asehonareo mpitondra fanjakàna hahatafita ny tolona hatramin’ny farany. Hanjaka eto amin’ny firenena manomboka izao anie ny fahamarinana, hoy hatrany ny ACS na firaisankinan’ireo loholona sy filankevitra ambonin’ny tetezamita teo aloha!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT