Politique

Loholona Rakotondrainibe Michel « Andraikitray ny fiahiana vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana »


  • Zoma 21 Oktobra 2022

Nanao tatitra tamin’ireo mpifidy vaventy teny amin’ny distrikan’Avaradrano omaly ny loholona voafidy ho an’ny faritanin’Antananarivo tamin’ny anaran’ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM, Rakotondrainibe Michel.

Navoitrany tamin’izany fa isan’ny tamberin’andraikitra amin’ny mpitantana tahaka izao ny fampitana izany ho an’ny eny ifotony. Nampahafantarina tamin’izany ireo lalana voafidy teny anivon’ny Antenimierandoholona ho an’ny taona 2021. Teo koa ny fifanakalozan-kevitra ho fanatsarana sy ny fandraisana ny sosokevitra avy amin’ireo vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana. Anisan’izany ny fampidiram-bolan’ny kaominina sy ny fampitaovana, ny olan’ny tsy fandriampahalemana ary ny lafiny sosialim-bahoaka. Zava-dehibe ho anay mpifidy vaventy ny tatitra tahaka izao, andrasana kosa anefa ny ho fiantraikan’izany eny amin’ny tomponandraikitra eny ifotony, hoy ireo ben’ny tanàna sy mpanolontsaina avy eny an-toerana. Nanaovan’izy ireo antso avo ny hanafainganana ny famoahana ny didim-panjakana fampiharana izany. Manampy izany ny fifanankalozan-kevitra teo amin’ny loholona MMM sy ireo mpifidy vaventy. Nohainoina ireo sosokevitra ahafahana mitondra fanatsarana sy ny fanolorana izany ho an’ny mpitondra fanjakana mandritran’ny fivoriana ara-potoan’ny Antenimiera amin’izao fotoana izao, hoy ity loholona ity. Anisan’ny andraikitry ny loholona ny miaro ny tombontsoa ho an’ny vahoaka eny ifotony sy fiahiana ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, hoy ihany izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT