Politique

Loholona MMM Ndriana Rakotondraibe Nikarakara hetsika fizaham-pahasalamana


  • Alatsinainy 07 Aogositra 2023

Nanomboka ny faran’ny volana Jolay 2023 teo dia nikarakara hetsika fisafoana sy fizahana ara-pahasalamana maimaimpoana ho an’ny reny sy ny zaza ny loholona voafidy

tamin’ny anaran’ny antoko politika Malagasy Miara-Miainga na MMM teto Antananarivo, Ndriana Rakotondrainibe. Hetsika izay natao hanampiana azy ireo manoloana ny fahalafosan’ny saran’ny fahasalamana sy hanamaivanana ny fiatrehan’izy ireo ny fahasahiranana amin’ny andavanandro izany, hoy ny fanazavana. Nanomboka teny Imerinafovoany, distrikan’Ambohidratrimo izany ny 28 sy 29 Jolay 2023 teo ary nitohy teny amin’ny “centre de santé” na foibem-pahasalamana eny Mamindra Aina Alasora, distrikan’Antananarivo Avaradrano, izay toera-pitsaboana natsangan’ny MMM, ny 4 sy 5 Aogositra 2023 teo. Mbola ho avy ihany koa ny anjaran’ireo toerana hafa izay hisitraka ity hetsika ara-pahasalamana maimaimpoana ity, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT