Firenena vao nivoaka tamin’ny krizy lavareny i Madagasikara ary miezaka tsikelikely amin’ny fanarenana azy ny mpitondra fanjakana efa ho roa taona izao.
Tanjon’ity farany ankehitriny ny hampijoro ny Antenimierandoholona ao anatin’ny taona fahatelo amin’ny fitantanany. Fanapahan-kevitra noraisan’ny filankevitry ny minisitra moa ny nampiakatra ho 63 ny isan’ireo loholon’i Madagasikara ao anatin’izao Repoblika faha-4 izao. Hofidian’ireo mpifidy lehibe ny 42 amin’izy ireo ka hanana solontena 7 avy ny faritany enina manerana ny nosy. Hotendren’ny filohan’ny Repoblika kosa ireo 21 ambiny, araka ny didim-panjakana nivoaka tamin’ny volana oktobra teo. Nitombo avo roa heny ny isan’izy ireo mihoatra ny tamin’ny fiafaran’ny Repoblika faha-3 nisian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009. Tsy nisy afa-tsy 33 fotsiny mantsy ireo senatera tamin’izany ka solontenan’ireo faritra ny 22 ary notsongain’ny filoham-pirenena manokana kosa ny 11. Misokatra anio 9 ary hifarana ny 16 novambra 2015 ny fandrotsahana ireo antontan-taratasin’ireo kandida mpifaninana amin’izany toerana izany miaraka amin’ny antoka ara-bola 450.000 ariary.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.