Politique

Lohana mpanjanaky ny filoham-pirenena


  • Zoma 30 Jona 2023

Ny sehatry ny asa no tena nampisehoany azy»

Misy akony amin’ny fianana ara-tsosialy ny fivoahan’ny taratasy fa olona niofo na «naturalisé» ho frantsay ny filoham-pirenena malagasy, hoy ny sekretera jeneralin’ny Randrana sendikaly, Barson Rakotomanga. Ny naha taitra anay tao anatin’ilay izy dia hoe ny taona 2014 izy no «naturalisé», hoy izy. 2018 izy nilatsaka ho filoham-pirenena ary lany ny 2019. Raha mahatsikaritra ny rehetra dia tonga dia niteny izy fa ho ataony 200.000 Ariary ny karama farany ambany rehefa lany izy ny 2018. Tonga dia nandidy izy izany. 2019, nantsoiny teny Ambohitsirohitra ny solontenan’ny mpampiasa. Tonga dia hoe 200.000 ny karama farany ambany. Tsy nasiana tovana na «annexe» akory avy eo rehefa nivoaka ny didim-pitondrana. Tonga ny COVID 19. Tonga dia hoe nahazo vola amina tapitrisa Dolara fa tsy nomena ny taty amin’ny sehatra tsy miankina fa tonga dia nobaikoina indray ny tao amin’ny CNaPs hoe ampisambory ny mpiasa ny volan’ny mpiasa ao. 2022, nafanafana ny tolon’ny sendika. Niteny indray izy niantso teny Iavoloha ireo solontenan’ny mpiasa dia hoe 250.000 Ariary ny karama farany ambany. Baiko io. Nisy nanaraka, nisy tsy nanaraka. 2023, nantsoina teny indray ireny mpampiasa ireny dia 238.000 Ariary ny karama farany ambany. Nampidinina indray. Aminay dia tena lohana mpanjanaka na «esprit colon» izany. Taty amin’ny sehatry ny asa izany no tena nampisehoan’ny filoham-pirenena ny lohana mpanjanaka. Misy ny antsoina hoe «tripartisme» na toko telo ahitana ny mpiasa, mpampiasa, fanjakana aty amin’ny tontolon’ny asa ary natao hifampiresaka na hanao ilay antsoina hoe «dialogue sociale» fa tsy nampiharina mihitsy izany tamin’ity fitondrana ity. Tsy hisy iteny intsony izany eto hoe marina sa tsy marina fa efa ireny nivoaka ireny daholo ny lalàna momba ilay izy ary na izy aza tsy ahenoana feo hatramin’izao. Raha marina, noho izany, ireny dia tsy tokony handany andro any amina fanazavana andininy sy andalana na «interprétation de texte» satria tsy any no olana fa ny hoe izany no loha na «esprit» nentiny taty amin’ny tontolon’ny asa. Vakiana fotsiny! Nisy raiamandreny maty tamin’ny fiadiana tamin’ny frantsay ho an’ny fiverenana amin’ny fahaleovantena. 58 taona taty aoriana ve dia ilay antsoin’ny frantsay hoe «ressortissant français» no avela hitondra eto. Raha misy sakoroka izany eto amin’ny tanàna dia miaramila frantsay no miaro azy? Tsy azo ekena izany fa mitodika aminareo tafika. Ianareo no afaka tonga dia mandamina an’io. Na ianareo hanao fitondrana miaramila, izany hoe «directoire militaire» dia miroso manery ny mpanao politika hanao kaonklavy handaminana tetezamita fohy sy fifidianana malaky izay ihany na ankoatran’izay dia mandany andro, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT