Politique

Lisi-pifidianana Nisy diso ny an’i Lalao Ravalomanana


  • Talata 18 Aprily 2023

Tonga nanamarina ny anarany tao amin’ny fokontany Faravohitra ny Fianakaviana Ravalomanana omaly. Tsy maintsy atao satria betsaka ny ahiahy, raha ny nambarany Marc Ravalomanana.

Isan’ny noraisiny ho ohatra ny zava-nisy tamin’ny diany Morondava izay antontan’isa 3 samihafa fa tsy nitovy ny an’ireo an-tanan-tohatra miantsoroka izany teny anivon’ny Komisionim-pifidianana teny anivon’ny Distrika, ny faritra, ary ny Foibe. Nisy fahadisoana ny an-dRtoa Lalao Ravalomanana, saingy nilaza ny Filoha teo aloha fa tsy ny tao amin’ny fokontany no nandiso azy, fa ny avy any amin’ny CENI mihitsy. Zavatra somary nahagaga ihany satria, olona tsy niova adiresy mihitsy, efa avy ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra ary sarotra inoana hoe tsy fantatra ny mombamomba azy rehetra. Nanentana hatrany ny Malagasy moa i Marc Ravalomanana fa ilaina tena ilaina ny fanaraha-mason’ny rehetra. Nanome toromarika ireo mpikatrika TIM hanentana ny mpikambana hanara-maso ny lisitra, fa indrindra hitaky ny famoahana amin’ny peta-drindrina ny lisi-pifidianana i Marc Ravalomanana. Naneho hevitra momba ilay lahatenin’ny Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Rtoa Jocelyne Rahelihanta ihany koa I Marc Ravalomanana omaly, ka naneho fa tsy azo resahana amin’ny resaka fampielezan-kevitra mialoha na mandritra na aorian’ny fifidianana ny fandranitana adim-poko, na fihaviana na fivavahana, na koa firazanana na fampidirana harena. Tsy azo atao, tena fady satria samy manana ny safidiny ny olona ary malalaka tsara, hoy I Marc Ravalomanana. Nilaza handeha ho any Avaratra hijery sy hihaino ny zava-misy moa ity Filoha teo aloha ity.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT