Lisi-pifidianana

Niampy 377 929


  • Talata 13 Febroary 2024

Nanomboka 01 desambra hatramin’ny rahampitso 15 febroary

ny fanaovaozana isan-taona ny lisi-pifidianana na ny « RALE », ary faranana tanteraka 15 may. Fampidirana mpifidy vaovao, ireo latsaka tamin'ny fanavaozana manontolo na « refonte », ireo nifindra monina, ireo very zo tany am-ponja ka afaka, fanesorana ireo nifindra monina sy maty ary very zo no atao, hoy ny CENI. Ny16 febroary 2024 hatramin’ny 28 febroary 2024 no fe-potoana hanomanana ny famaranana vonjimaika ny lisitry ny mpifidy. Ao anatin’izany no hampiakarana ireo karine fanisana mpifidy eny anivon’ny Distrika izay nozaraina teny anivon’ny Fokontany. Eo koa ny fikirakirana ara-kajimirindra ny antontan’isa ka na izany fanesorana anarana na fanampiana. Aorian’io famaranana vonjimaika io dia manana 20 andro ao anatin’ny volana Martsa 2024 ny olompirenena anaovana fitarainana na fanamarihana . Ny 15 Mey 2024 kosa no hamaranana tanteraka ny lisitry ny mpifidy izay hiantoka lisitra hiatrehana ny fifidianana ho Solombavambahoaka sy ny fifidianana ho Ben’ny Tanana sy Mpanolotsaina. Raha ny antontan’isa navoakan’ny CENI omaly. Niampy 377 929 ny isan'ny mpifidy voarakitra eo anivon'ny CENI raha ny antontan’isa vonjimaika voaray avy eny anivon'ny fokontany. Tafiakatra 11.421.765 ny isan'ny mpifidy amin'izao raha 11.043.836 izany tamin'ny fifidianana Filohampirenena farany teo. Mbola hitombo aza io, raha ny tatitra nataon’ny CENI satria mbola hiakatra ireo horaketina. 69 245 na 0,62% moa no voalaza fa nesorina tao anaty lisi-pifidianana. Na izany aza, nihoatra ny vina napetraky ny CENI tany ampiandohana io taham-piakarana io, raha 2,50 isan-jato izany dia tafakatra 3,42 isan-jato izany amin'izao fotoana, hoy ny CENI tarihin’ny filohany CENI Andrianarisedo Dama Arsène androany 12 febroary nandritra ny fihaonany tamin'ny mpanao gazety omaly. Rehefa zohiana, navitrika kokoa ve ny olona tao anatin’ny fanavaozana isan-taona izay nanao fihetsiketsehana be noho ny tamin’ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana ?
Toky R

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT