Politique

Lisi-pifidianana Efa vita ny fanatsarana, hoy ny CENI


  • Alakamisy 29 Aogositra 2019

Efa azon’ny olom-pirenena jerena eny anivon’ny fokontany ny lisi-pifidianana amin’izao, hoy ny fanazavana nentin’ny teo anivon’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny Ceni. Nisy ny fanatsarana ary efa tonga eny anivon’ny fokontany 192.

 

 

 

 Nambaran’ny filoha lefitry ny CENI, Atoa Thiery Rakotonarivo, fa ireo olona tsy nahita ny anarany tamin’ny fifidianana depiote farany teo, nefa voasoratra anarana tamin’ny fifidianana filoham-pirenena dia afaka manamarina ny azy ao anaty lisitra amin’izao. Hatramin’ny faran’ny volana aogositra ity no hijerena ny lisitra eny amin’ny fokontany, hoy hatrany ny fanazavana. Nambaran’ny CENI koa, fa tsy hisy ny fanavaozana na fampidirana na fanesorana anarana ao anaty lisitra fa fanatsarana tanteraka no nataon’ny Ceni. Hanavao ny lisi-pifidianana sy ny fanavaozana izany koa ny CENI, ny 1 desambra ho avy izao ary hifarana ny volana mey 2020 ho avy izao. Lohalaharana amin’ireny ny lafiny ara-teknika, ny arak’olona…. raha araka ny fanazavan-dRakotonarivo Thierry, filoha lefitry ny voamieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana. Miankina amin’ny fanjakana sisa ny ny fanomezana sy fametrahana ilay vola 28 lavitrisa Ar ilaina amin’ny fanatanterahana izany eny anivon’ny CENI. Ny 21 lavitrisa Ar amin’io no horaisin’ireto farany an-tanana raha an’ny fitondram-panjakana kosa ny 7 lavitrisa Ar ambiny. Ankoatra izay dia andrasan’ny CENI ihany koa ny fanazavana avy amin’ny tranom-pirintim-pirenena mikasika ny fahavitany na tsia ireo antontan-taratasy saropady tokony hatonta ao aminy, ao anatin’ny 41 andro toy ny bileta tokana….izay hitombo avo roa heny noho ilay fifidianana roa samihafa ihany koa.

 

Sitraka r.  sy Patti

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT