Politique

Lisi-pifidianana Efa miditra ao anatin’ny fanadiovana ny fokontany


  • Alatsinainy 05 Aogositra 2019

Ny 23 aogositra izao no hanateran’ireo fokontany ny lisi-pifidianana izay nodiovin’izy ireo, hoy ny sefo fokontany Ankaditoho Marohoho, nanaovana ny fanadihadiana.

 

 

 

Araka ny fanazavana voaray, dia efa herinandro izao no nahatongavan’ny lisim-pifidinana teny anivon’ny fokontany mba hijerena ny olana matetim-pitranga, dia tsy inona izany fa ireo tsy voasoratra anarana tamin’ny fifidianana filohampirenena sy ny depiote farany teo, ka tsy nahazoan’izy ireo ny kara-pifidianana. Eo koa ny fijerena ny anaran’ireo olona miverina indroa ao anaty listra sy ireo anarana latsaka tao anaty listra. Fanadiovana tanteraka no ataon’ny fokontany amin’izao ary ezahin’izy ireo ho madio izany ao anatin’izao fifidianana Ben’ny tanàna izao, hoy ny fanazavana. Raha ho an’ny fokontany Mahavoky kosa indray dia nilaza ny sefo fokontany fa efa nangataka ny hanadiovan io listra io izy ireo, fa maro ireo olona tokony hifidy nefa tsy nahazo karatra ary tezitra sy nimonimonina tamin’ny  fokontany, hoy ny fanazavana. Ho diovina tanteraka io lisitra io, hoy izy mba hisorohana ny tranga mety hiseho amin’ny fifidianana ho avy manaraka eo.

 

Sitraka r.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT