Feno mpifidy “matotoa” ny lisi-pifidianana nampiasaina nanatontosana ireo fifidianana in-droa miantoana tamin’ity 2013 ity, hoy ny komity mpanohana an’i Robinson Jean Louis. Araka ny fanadihadiana nataon’ireo teknisianina mpikirakira informatika niainga tamin’ireo antontanisa sy antontan-taratasy momba ny fifidianana kirakirain’ny CENI-T, dia mananika ny 6% ireo mpifidy “matotoa” tao anaty lisi-pifidianana ireo. Izany hoe raha nanodidina ny 8 tapitrisa teo ny isan’ny mpifidy tamin’iny fihodinana faharoa iny dia mpifidy matotoa avokoa ny 4 hetsy mahery tamin’ireo. Manoloana izany dia nilaza Rtoa Rafam’Andrianjafy, komity mpanohana an’i Dr Robinson Jean Louis, fa tsy nanomboka akory ny fifidianana dia efa nisy ny hosoka ary efa nisy nivonona ny hangala-bato.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.