Hanjaka eto Madagasikara amin’izay ny demokrasia, hoy ny solombavambahoaka, Alain Ratsimbazafy, raha nanontaniana ny heviny mikasika ny resaka fanoherana eto ankehitriny.
Mba tsy ho hevitra tokana no hanjaka fa hisy koa ny hevitry ny Tiako I Madagasikara hanatsarana ny fiainan’ny vahoaka Malagasy. Ny antoko TIM hatreto no nahafeno ny fepetra ara-dalàna amin’ny maha mpanohitra azy. Hanolotra hevitra izahay ho an’ny fahefana mpanatanteraka hahafahana mampandroso ny firenena. Raha misy mivoana amin’ny lalàmpanorenana dia tsy maintsy hiteny izahay. Teo aloha tsy nisy rafitra mpanohitra sahy mijoro ary nanjaka tokana ny hevitry ny fitondrana fa manomboka izao dia heverina fa tsy ho izay intsony no hitranga, hoy hatrany ity solombavambahoaka ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.