Politique

Leriva Manahirana “Tsy mila jiolahimboto i Madagasikara !”


  • Alarobia 02 Novambra 2011

“Tsy handefitra amin`ny fanaovana tsinontsinona ny Malagasy izahay satria tsy tanin`ny Frantsay ity fa tanin`ny Malagasy.

 Rehefa tsy faly dia mangoron’entana”. Santionany tamin`ny lahatenin`ny solombavambahoakan`i Brickaville, Leriva Manahirana, ny sabotsy lasa teo tao amin`ny kianjan`ny Magro izany. Araka ny fanazavany dia nanao fihetsika sy fiteny tsy voahevitra tamin`ny delegasion`ny ankolafy Ravalomanana ingahy Chataigner, masoivoho frantsay monina sy miasa eto amintsika. Anisan`ny teny nambaran`ity diplaomaty frantsay ity ny fihantsiana nilazany fa “votre candidat ne pasera jamais”. Raha adika malalaka dia “tsy ho lany mandrakizay ny kandidanareo”. Ankoatra izay dia saika raikitra mihitsy ny totohondry teo aminy sy i Mamy Rakotoarivelo tao amin`ny hotely Colbert na dia vao avy nodidiana nify aza ity farany.

Raha izany teniny izany dia izy mihitsy no mitondra ny fibaikoana, eny hatramin`ny Troika aza eo ambany fifehezany, indrindra fa i Andry Rajoelina. Manoloana izany moa dia nazava ny tenin`i Leriva Manahirana ny amin`ny tokony hifanajana satria fiaraha-miasa no misy eo amin`i Madagasikara sy Frantsa. Nambarany fa dia tadiavina haverina any amin`ny 50 taona lasa any mihitsy i Madagasikara ankehitriny. Tsy vao izao no nitondra olana teto amin`ny firenena ny Renimalala (Lafrantsa). Efa notsiahivin`i Jan Louis Rakotoamboa, filoha nasionalin’ny antoko TEZA moa izany tamin`iny herinandro lasa iny, nilazany fa fototry ny fanonganam-panjakana nisy teo i Frantsa ho fiarovany ny tombontsoany, ary dia vonona ny hamono olona mihitsy ity mpanjanaka fahiny ity ho fiarovana izay tombontsoany izay.

Nangonin`i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT