Leriva Manahirana

"Mampalahelo, lasa 'business' ny politika eto"


  • Talata 18 Martsa 2025

Misy ny mivaro-panahy, ao ireo manao sakaizan'ny mpandresy ka mandao ny akany politika.

Misy ireo misafidy ny hangina, tsy tazana noho ny antony samihafa. "Tsy misy ambadika akory fa tsy manana basy hiarovan-tena, dia aleo aloha mangina", hoy ny Solombavambahoaka teo aloha voafidy tao Brickaville, Atoa Leriva Manahirana raha nanontaniana ny antony tsy nahitana azy ka tsy nandrenesam-peo elaela izay. Nanamafy ny tenany fa "mbola mpitarika ny TIM ao amin'ny Distrikany ary tsy manana olana amin'ny prezida Ravalomanana" manoloana ny tsy fahitana loatra intsony ireo olomboafidy teo aloha sy mpikatroka TIM avy any Atsinanana sa manana olona ara-pifandraisana amin’ny filoha nasionalin’ny antoko TIM ? Nampiany fa "Jamais ! Leriva tsy mpamadika palitao. Mafy loatra ny niainako ny fitondran-dRajoelina". Momba ireo mpanao politika manao sakaizan'ny mpandresy dia tsy nihambahamba i Leriva nilaza fa "mahantra loatra ny Malagasy ka tsy mahita hatao afa-tsy mivarotra fanahy. Mampalahelo fa lasa "business" ny politika eto amintsika". Tsy mahagaga, hoy izy raha misy ny milaza fa leo politika ary tsy marisika mifidy intsony ny Malagasy, satria "ireo mpivadibadika palitao sy mpangala-bato no nahatonga ny olona ho leo politika. Anisany koa ny fitiavantena sy ny hambompo diso toerana". Koa "raha mbola ny mpitondra ankehitriny aloha no eo, dia manonofy antoandro izay manantena an'izany Madagasikara tsy maintsy mandroso izany".
Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT