Tsy nanambara na mankato na tsia ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ny CENI-T omaly ny masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina eto Madagasikara, Leonidas Tezapsidis. Nohazavainy anefa fa miverina miandalana ny famatsiana ny fanjakana Malagasy rehefa milamina ny resaka fifidianana ary manjaka eto Madagasikara ny fanjakana tan-dalàna.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.