Marefo ny fanaovana politika eto amintsika ka sakana mipetraka ho an'ireo kandidà", hoy i Toavina Ralambomahay, mpanao politika sy mpanao gazety.
Nomarihany fa raha ilaina ny maha hentitra ny fanjakana dia tokony ho hita izany amin'ny fampielezan-kevitra. Nilaza izy fa tokony ho afaka mirotsaka hofidiana ho ben'ny tanàna ny lehiben'ny mpanohitra. Raha ilay lalàna 2011-013 hasiam-panitsiana dia tsy afaka mirotsaka satria depiote ny lehiben'ny mpanohitra kanefa, raha ny tokony ho izy dia sady lehiben'ny mpanohitra no ben'ny tanàna satria hampiana ilay satan'ny fanoherana, hoy izy. Raha eo anivon'ny lalàna dia azo atao fangatahana manokana ny "cumul des mandats", hoy hatrany ny fanazavany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.