Politique

Lehiben’ny mpanohitra “Hajao fotsiny ny lalàna efa misy dia izay”


  • Zoma 16 Aogositra 2019

Nitondra ny heviny mikasika ny adihevitra momba ny lalàna mifehy ny mpanohitra sy ny lehibeny ireo olon-tsotra nanaovana ny fanadihadiana.

 

 

 Nambaran’Atoa Ramahandrimanana Solofoniaina Daniel, mpiasa birao fa mila, ampiharina ny lalàna efa misy. Tsy baiboly akory io ka ovaina amin’izay ilana azy, hoy izy. Tsy ampiasaina akory ve ny lalàna dia ovaina sahady. Midika izany, fa tahotra no tsy hamoahan’ny fitondrana ny didim-panjakana hampiharana io lalàna mifehy ny fanoherana io, hoy ny nambarany. Ny antoko Tim no manana ny maro an’isa amin’ny fanoherana eny amin’ny lapan’ny antenimieram-pirenena, hoy izy, ka tokony ho izy ireo no hitana ny lehiben’ny fanoheranana. Tsy mitady zavatra hafa entina hanakorontanana ny vahoaka ny fitondrana fa hampiharina ny lalàna dia izay. Izany ve no hitondrana antsika any  amin’ny demokrasia sy ny fampandrosoana, sa izay mety amin’ny mpitondra ihany no atao eto ? Mila hatsaraina aza ny lalàna efa misy fa lasa mihen-danja ny fanoherana eto amin’ny firenena. Ho an’Atoa Rakotondrafara Eric Augustin olo-tsotra indray, dia olona ivelan’ny depiote no atao filohan’ny mpanohitra, araka ny lalàna misy. Misy ny lalàna hampiharina, dia misy ny tsy hampiharina, hoy izy. Raha ny lojika dia ny filohan’ny Tim no mahazo izay toeran’ny mpanohitra izay, satria manana ny maro an’isa amin’ny fanoherana ity antoko ity, raha ny nambarany hatrany.

Sitraka r.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT