Lehiben’ny mariboninahi-pirenena

Politika avo lenta ny fanendrena ny


  • Zoma 08 Desambra 2023

Jeneraly Ranjeva Marcel… Herinandro mahery kely mialohan’ny

hanaovan’ny Filoha nambaran’ny HCC fa lany, noraisin’ny Fitondrana ny didim-panjakana manendry ny Jeneraly misotro ronono Ranjeva Razanakombana Marcel ho Lehiben’ny Mariboninahi-pirenena Malagasy, araka ny fanapahana noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 6 desambatra 2023. Izy izany no handimby an-dRtoa Madeleine Ramaholimihaso, nitana io andraikitra io nanomboka ny 18 janoary 2019, taorian'ny nahafatesan'i Étienne Ralitera ny taona 2017. Eo amin’ny faha-79 taona Atoa Marcel Ranjeva izao voatendry ho Lehiben’ny Mariboninahi-pirenena Malagasy izao. Jeneraly misotro ronono teo anivon’ny Tafika Malagasy, Général de corps d'armée Ranjeva Marcel. Efa nitana andraikitra ambony maro teto amin’ny firenena izy. Ministry ny Fiarovam-pirenena (1996-2002) tamin’ny fitondran'i Amiraly Didier Ratsiraka. Minisitry ny Raharaham-bahiny (2002-2009) tamin’ny fitondrana Marc Ravalomanana. Izy mazava ho azy no hampisalotra ny samboady mandritra ny lanonana ara-pitsarana hanaovan'ny filoham-pirenena fihanianana ny 16 desambra 2023 eo amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Betsaka no nitondra fanamarihana avy hatrany fa misy dikany ara-politika sy ara-diplaomatika ny fanendrena, fa tsy nandehandeha ho azy. Tsara ny manamarika, fa isan’ireo manamboninahitra nivoaka tao amin’ny Saint-Cyr any Frantsa ity manamboninahitra misotro ronono ity, voafidy ho « Président de la section malgache de la Légion d'honneur française » ny taona 2021,… Rahalahin’ny Profesora Raymond Ranjeva izay isan’ireo mpikambana anatin’ny Vovonana PAN-FFKM ihany koa ny Lehiben’ny Mariboninahi-pirenena vaovao io. Iry voalohany izay naneho hatrany am-boalohany ny tsy fetezana samihafa mikasika ny fifidianana, toy ny filazana fa tsy manaraka ny lalàmpanorenana ny HCC, ary fototry ny olana sy savorovoro, ny fanapahan-kevitra raisin’ny governemanta momba ny fifidianana dia tsy ara-dalàna,… Ny Pr Ranjeva Raymond sy ny zavanany vavy izay tsiahivina fa isan’ny nohenjehin’ny Fitondrana tetezamita notarihin’i Andry Rajoelina.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT