Lehiben’ny faritra

Tsy maintsy tendrena


  • Alakamisy 04 Desambra 2025

aloha noho ny fifidianana tsy azo antoka…

Namoaka fanambarana ofisialy ny Ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, manoloana ny fitarainana sy fanakianana maro voaray mikasika ny fifidianana nifanesy teto amin’ny Firenena. Araka ny fanazavana, ireo fanehoan-kevitra avy amin’ny olom-pirenena, mpanao politika, ary ny fiarahamonim-pirenena dia niteraka ahiahy sy tsy fahatokisana amin’ny fikarakarana sy ny voka-pifidianana. Manoloana izany, nanambara ity Ministera ity fa tsy maintsy hodinihina amin’ny fikaonan-doha isam-paritra sy fikaonan-doham-pirenena ny fanavaozana ny rafitra sy lalàna mifehy ny fifidianana. Izany no antoka hahafahana manangana zotra vaovao, madio sy itokisana amin’ny fitantanana ny fifidianana rehetra, hoy hatrany ity Minisitera ity. Noho izany miato ny Fifidianana, miandry ny fikaonan-doham-pirenena. Araka ny fanambarana, tsy hisy fifidianana hatao mandra-pahavitan’ireo fikaonan-doha ireo. Tanjon’ny Fitondram-panjakana ny hahafeno fepetra rehetra sy hananganana fahatokisana amin’ny rafitra vaovao mifehy ny fifidianana. Tsara ny mampahatsiahy fa araka ny andininy faha-154 amin’ny lalàmpanorenana, dia tafiditra anatin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny faritra, ary fidiana amin’ny alalan’ny fifidianana andraisan’ny besinimaro anjara ny Lehiben’ny Faritra. Fanendrena Vonjimaika ho an’ny Lehiben’ny faritra taorian’ny fanafoanana ny fanendrena ireo Governora no hatao, voatery manao fanendrena vonjimaika ho an’ireo Lehiben’ny Faritra ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny Filan-kevitry ny Ministra. Ireo fanendrena ireo dia natao hanohizana ny tolo-draharaham-panjakana sy ny fitantanan-draharaha eny anivon’ny Faritra. Nanamafy ny Minisiteran’ny atitany fa misokatra amin’ny rehetra ny fametrahana antontan-taratasy ho an’ireo kandidà, ary hatao ao anatin’ny fangaraharana tanteraka ny fisafidianana ireo Lehiben’ny Faritra vaovao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT