Lehiben’ny Diplaomasia Eoropeanina

«Mampiahiahy mafy ny toe-draharaha sy fifidianana ao Madagasikara »


  • Alatsinainy 13 Novambra 2023

Manamafy ny ahiahy goavana na « fortes inquiétudes » momba ny toe-draharaha politika eto

Madagasikara ny Vondrona Eoropeanina. Nilaza izy ireo tao anatin’ny fanambarana nataon’ny Lehiben’ny diplaomasia Eoropeanina Josep Borell, fa tao anatin’ny herinandro maro dia niharihary ny fiakaran’ny maripana politika, marobe ny herisetra niseho nandritra ny fihetsiketseham-bahoaka. Notsipihin’ny Vondrona Eoropeanina no tokony hisian’ny fitantanana tsy mitanilan’ny manam-pahefana ho an’ireo kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Tao anatin’ity fanambrana ity, miantso ny manam-pahefana eto Madagasikara, mba hanaome antoka amin’ny tokony hitovian’ny herijikan’ny kandida rehetra amin’ny fifidianana, nanipika ny maha zava-dehibe ny fanajana ny zo hanao fihetsiketsehana, haneho hevitra, hiditra anaty fikambanana, hivory, fa indrindra ny fiarovana ny fiainana manokana. Na tsy novantanina aza, dia heverina fa mety ho voafaoka ao anatin’io ny nampiasan’ny Fanjakana Rajoelina ilay rindram-baiko « Predator » sy ny fisamborana kandida ka namoahana ny taratasy momba azy teny amin’ny tambajotran-tserasera. Niantso ireo rafitra mpikarakara fifidianana Malagasy mba tena hiasa sy hametraka ny lamina fikarakarana fifidianana mangarahara sy azo antoka, ka ny valin’izany dia tokony ho taratry ny tena fahalalahan’ny Malagasy maneho ny safidiny. Ny alakamisy lasa teo, efa nisy ny fanambarana niarahan’ny Vondrona Eoropeanina sy ny mpiara-dia aminy, nanamafy ny ahiahiny sy nandrisika ny hisian’ny fifampidinihana am-pilaminan’ny herivelona samihafa mba hamerenana ny fitokisana amin’ny zotram-pifidianana. Tsy tahaka ny tamin’ny 2013 sy 2018, fa hatreto, tsy misy na tsy mazava ny handefasan’ny Vondrona Eoropeanina iraka mpanara-maso ny fifidianana ho an’ity fifidianana kasaina hatao amin’ny 16 novambra ity. Ny Vondrona Eoropeanina anefa no isan’ny lohalaharana amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola mahazatra na PTF ho an’i Madagasikara. Raha raisina amin’izao, sarotsarotra ny hisian’ny fankatoavana iraisam-pirenena raha terena handeha ny fifidianana, ary mety hiteraka sazy ho an’i Madagasikara na hamparefo ny fiaraha-miasa ara-politika sy ara-toekarena samihafa.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT