Politique

Leader Fanilo Namantsipantsika ny FAT


  • Alatsinainy 17 Oktobra 2011

Famelivelezana ny FAT no tena nibahan-toerana tamin’ny komity nasionalin’ny antoko Leader Fanilo notontosaina teto an-drenivohitra ny sabotsy 15 oktobra teo.

 Nokianin’ny sekretera nasionaly, Esoavelomandroso Manassé, ireo fitantanana tsy mety ataon’ny fitondrana tetezamita. “Na ao anatin’ny governemanta sy ny parlemanta aza ny Leader Fanilo dia tsy maintsy manakiana ny tsy mety”, hoy izy. Nambarany fa tsy rariny raha ampitomboina ny isan’ny mpikambana ao amin’ny Kongresy sy Filankevitra ambonin'ny tetezamita izay mandray karama midangana anefa ny mpampianatra FRAM zara raha misy mpijery. “Aleo ny vola tokony hanaovana ny fanitarana ny isan’ny parlemantera aompana handoavana ny karaman’ny mpampianatra FRAM. Mahavita ny karaman’ny mpampianatra FRAM miisa 90 anie ny vola raisin’ny CST iray”, hoy izy.

Tonga hatramin’ny fitakiana ny fandraisana ho mpiasam-panjakana raikitra ireto farany mihitsy moa izany. Voaresaka koa ny tsy fisian’ny fandriampahalemana sy ny tsy fahafahan’ny FAT mitsinjo ny tanora Malagasy amin’ny alalan’ny fampananana asa azy ireo. Andraikitry ny fanjakana izay tsy ilaina na iandrasana fampiharana ny tondrozotra ireo raha ny votoatin-kevitra navoitran’i Esoavelomandroso Manassé hatrany. Nomelohiny kosa anefa ny fanerena ny minisitry ny fampianarana ambony izay mpikambana Leader Fanilo hanala ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina noho ny savorovoro teo amin’ny mpianatra avy any avaratra sy atsimo atsinanana ka namoizana aina iray. Nambarany fa loza mitatao ny adim-poko noho ny fivoizan’ny sasany io resaka io.

 

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT